Inona no antoky ny fitahiana?

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 26 Febroary 2024

Deoteronomia 28. 1-14

Deoteronomia 28. 1-14
1 [Ny soa izay ho valin'ny fanarahana an'i Jehovah, ary ny loza izay hanjo ny miala aminy kosa] Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao; 2 ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao 3 Hotahina ianao ao an-tanàna, ary hotahina ianao any an-tsaha. 4 Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman'osinao. 5 Hotahina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao. 6 Hotahina ianao, raha miditra; ary hotahina ianao, raha mivoaka. 7 Hatolotr'i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka lalana iray no hivoahany hanatona anao, fa lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao. 8 Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin'ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon'ny tananao, ka hitahy anao Izy any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao. 9 Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mandeha amin'ny lalany. 10 Dia ho hitan'ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa ny anaran'i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy. 11 Ary hataon'i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena anao. 12 Hovohan'i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin'ny taninao amin'ny fotoany sy hitahiany ny asan'ny tananao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra. 13 Dia hataon'i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa ianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy. 14 Ary aza miala amin'ny teny rehetra izay andidiako anao anio, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy.

1. Inona no antoky ny fitahiana?

« Mihaino tsara ny feon’i Jehovah Andriamanitrao sy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra » (and 1). Raha lazaina amin’ny teny tokana dia izao, ny fankatoavana an’Andriamanitra ihany no hahazoantsika ny fitahiany. Tsy ny fanaovana rakitra betsaka, na zavatra hafa mifanahatahaka amin’izany. Tsy fombafomba sy fihetsiketsehana ivelany fa izany no mahadiso hevitra ny maro.

2. Manao ahoana izany fitahiana izany?

« Hotahiana ianao ao an-tanana, ary hotahiana ianao any an-tsaha … hataon’i Jehovah ho lohany ianao fa tsy ho rambony, ary ho ambony tokoa ianao fa tsy ho ambany » (and 3-13). Raha fehezina dia izao, ny fitahian’ Andriamanitra dia tsy momba ny ara-panahy ihany, fa tena mahakasika ny lafim-piainana manontolo mihitsy, ary tsy ho an’ny tena ihany koa aza, fa voatahy hatramin’ny taranaka ihany koa. Averina ihany anefa, fa ny fankatoavana ihany no hahazoana fitahiana fa tsy zavatra hafa.

3. Ahoana no hihazonana izany fitahiana izany?

« Koa aza miala amin’ny teny rehetra izay omeko anao anio » (and 14a). Tsy ny anio ihany, fa ho an’ny ho avy rehetra no tokony hihazonantsika sy hankatoavantsika ny Tenin’ Andriamanitra mba haharetan’ny fitahiana amintsika ihany koa. Aoka tsy hohadinoina fa mankato mira voatahy, tsy mankato mira voazona!

Fanontaniana:

Inona no tokony ataontsika mba hotahiana i Madagasikara?

Sampana Sekoly Alahady Foibe