inona eo amin’ny fiainanao tokoa moa no ahatsapanao fa tena tia anao Andriamanitra?

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 10 Jolay 2021

Hosea 11. 1 - 4

Hosea 11. 1 - 4
1 [Ny hamindran'i Jehovah fo amin'ny Isiraely, na dia be aza ny helony] Fony mbola zaza Isiraely, dia tiako izy, ary nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako. 2 Nony nisy niantso azy, dia vao mainka nandositra ireny izy; Ho an'ireo Bala kosa no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary ho an'ny sarin-javatra voasokitra no andoroany ditin-kazo manitra. 3 Fa Izaho no nampianatra an'i Efraima handeha. Eny, notrotroiko tamin'ny sandriko* aza izy. Nefa tsy fantany fa Izaho no nahasitrana azy. [Heb. notrotroiny tamin'ny sandriny] 4 Tamin'ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin'ny mahazakan'ny fitiavana; Ary efa toy izay manainga ny fehim-bava* eo ambonin'ny valanoranony Aho ka nanolo-kanina azy tsimoramora.[Heb. zioga]

inona eo amin’ny fiainanao tokoa moa no ahatsapanao fa tena tia anao Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE-FJKM