Inona avy ny vavaka tokony hatao ho an’ny Fiangonana ?
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 26 Aogositra 2021
FILIPIANA 1.1-11
FILIPIANA 1.1-11
1 [Fitarihan-teny sy fiarahabana ary fisaorana] Paoly sy Timoty, mpanompon'i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy mbamin'ny mpitandrina* sy ny diakona izay any Filipy; [* Gr. episkopo] 2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 3 Misaotra an'Andriamanitro amin'ny fahatsiarovako anareo 4 mandrakariva aho amin'ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin'ny fifaliana, 5 noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin'ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny; 6 ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin'ny andron'i Jesosy Kristy; 7 fa marina izany fiheverako anareo rehetra izany, satria efa mby ato am-poko ianareo, fa mpiombona ny fahasoavana ananako ianareo rehetra, na amin'ny fifatorako, na amin'ny famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy. 8 Fa Andriamanitra no vavolombeloko fa manina anareo rehetra indrindra aho amin'ny famindram-pon'i Kristy Jesosy. 9 Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan'ny fitiavanareo bebe kokoa amin'ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra, 10 mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra*, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin'ny andron'i Kristy ianareo, [* Na: samy hafa] 11 sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an'Andriamanitra.Inona avy ny vavaka tokony hatao ho an’ny Fiangonana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM