Inona àry ny tokony hatao mba tsy hianjerana amin’ny fahotana indray?
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 02 Jolay 2020
ROMANA 6.20-23
ROMANA 6.20-23
20 Fa fony mpanompon'ny ota ianareo, dia afaka tamin'ny fahamarinana. 21 Inona ary no vokatra azonareo fahiny tamin'izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? fa fahafatesana no hiafaran'izany zavatra izany. 22 Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay. 23 Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.Inona àry ny tokony hatao mba tsy hianjerana amin’ny fahotana indray?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM