Inona aminao ny Fanasan’ny Tompo ?

Mofonaina anio: Zoma, faha 30 Septambra 2016

MANAMBARA NY ASAN’NY TOMPO NY MINO

1 KORINTIANA 11.23-29
23 Fa izaho efa nandray tamin'ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin'iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo, 24 ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako* ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. [* Ampio hoe: [izay vakina] 25 Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin'ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo. 26 Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo ianareo mandra-pihaviny. 27 Koa na zovy an zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin'ny kapoaky ny Tompo amin'ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin'ny tena sy ny ran'ny Tompo izy. 28 Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin'ny kapoaka. 29 Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an'ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy.

Inona aminao ny Fanasan’ny Tompo ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Mampita ny fiderana sy ny asan’ny To...

Alarobia, 28 Septambra 2016

MANAMBARA NY ASAN’NY TOMPO NY MINO SALAMO 145.1-7 « Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao…

Ny fanondroan’ny mino Ilay Mpamonjy ...

Alarobia, 28 Septambra 2016

MANAMBARA NY ASAN’NY TOMPO NY MINO ISAIA 40.9-11 Ny fanondroan’ny mino Ilay Mpamonjy azy 1-Andriamanitra…

Ny fanambarana fahatapan-kevitry ny ...

Alatsinainy, 26 Septambra 2016

MANAMBARA NY ASAN’NY TOMPO NY MINO SABOTSY 24 Septambra 2016 LIOKA 19.5-10 Ny fanambarana fahatapan-kevitry…