« Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao;koa inona ary no ho azonay? » (and2)
Mofonaina anio: Alarobia, faha 10 Janoary 2024
Matio 19.27-29
Matio 19.27-29
27 Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao; koa inona ary no ho azonay? 28 Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin'ny fanavaozana*, ka hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny ny Zanak'olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin'ny seza fiandrianana roa ambin'ny folo ka hitsara ny firenen'isiraely roa ambin'ny folo.[*Gr.fiteraham-baovao] 29 Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny*, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay.[*Ampio hoe: (na vady.)]« Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao;
koa inona ary no ho azonay? » (and2)
« Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin’ny fanavaozana ka hipetraka amin’ny seza fiandrianan’ ny voninahiny ny Zanak’olona, ianareo koa, Izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ny seza fiandrianana roa ambin’ny folo ka hitsara ny firenen isiraely roa ambin’ny folo. » (and.28). Isika dia mino fa ho avy ny fotoana hahatanterahan’ny fanavaozan’Andriamanitra izao tontolo izao amin’ny andro farany, Amin’izay fotoana izay dia samy hanana anjara seza fiandrianana ny mpino, ka hanana anjara amin’ny voninahitra sy ny fahefan’i Jesoa ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy ho tanteraka anefa io fampanantenana io raha tsy mitoetra ho mahatoky hatramin’ny farany isika, na sanatria hanao tahaka an’i Jodasy, izay mba anisan’ny mpianatra ihany saingy namadika an’i Jesoa.
« Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay » (and.29).
Tsy maintsy ho vonona hahafoy ny zavatra rehetra izay rehetra manaraka an’i Jesoa. Tsy hahafaty antoka azy akory izany, fa handray mihoatra lavitra noho izay nafoiny izy, noho ny fanckeny hanao ho laharam-pahamehana ny fitiavana hanara-dia an’i Jesoa. « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Mat. 6.33). Araka izany dia sady misitraka fitahiana sahady dieny ety an-tany ny mpanara-dia an’i Jesoa, no mandova ny fiainana mandrakizay.
Inona no efa nafoinao noho ny amin ‘i Jesoa?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM