Ilay voahosotr’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 23 Mey 2024
Isaia 61.1-3
Isaia 61.1-3
1 [Ny amin'ny Voahosotr'i Jehovah, Izay hanavotra ny Isiraely sy hampody ny voninahiny] Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana* ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava, [Heb. hamehy] 2 Hitory taona ankasitrahan'i Jehovah sy andro famalian'Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra, 3 Hanolotra ho an'ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon'ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon'ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon'ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon'ny fahamarinana, nambolen'i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra.Ilay voahosotr’Andriamanitra
Maneho ny amin’ilay voahosotr’ Andriamanitra hitondra fahafahana ny Zanak’Israely ny Isaia 61.
1-Olona manana ny Fanahin’Andriamanitra
Fepetra tokana ahafahan’ny olona iray manatanteraka ny asa fanompoana anendrena sy anirahan’Andriamanitra azy ny fananana ny Fanahin’ Andriamanitra monina sy manapaka ny fiainany. Manambara mazava eto ilay Mpanompon’i Jehovah fa manapaka ny fiainany ny Fanahiny. Andriamanitra no nanosotra Azy, ary asehony ny fahavononana ho amin’izay andraikitra apetraka Aminy. Noho ny Fanahin’Andriamanitra mameno sy miasa ary mitarika ao anatiny dia mahajoro amin’ny asa miavaka ny mpanompon’Andriamanitra. Ny Fanahin’Andriamanitra no hery mampijoro sy ahafahany miatrika ny asany.
2-Famonjena ny olona rehetra
Asehon’ilay olom-boahosotra eto ny andraikitra anirahan’ Andriamanitra azy: mitory ny Tenin’Andriamanitra; mamelona finoana ny reraka; mitondra fanafahana sy fanavotana ary fiainana ho an’ireo niharan’ny fampahoriana sy ny fambaboana. Asa mitondra fiainam-pifaliana sy famonjena izany, ary tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy. Izy no ilay Mesia nirahin’ Andriamanitra hitondra fanafahana sy famonjena ho antsika amin’ny famatoran’ny fahotana. Nomen’Andriamanitra ny Fanahy Masina mba ho irak’Andriamanitra hitondra famonjena ho an’ny manodidina antsika isika, amin’ny fanambarana ny Vaovao Mahafaly sy fanambarana an’i Jesoa Kristy ilay fiainana ho antsika.
Fanontaniana:
Nomena anao ny Fanahy Masina, Lazao ireo andraikitra takian’Andriamanitra aminao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe