Ilay vavolombelona mijoro
Mofonaina anio: Alarobia, faha 01 Aprily 2020
VAVOLOMBELON’NY FITSANGANAN’NY TOMPO
OHABOLANA 14.24-27
24 Satroboninahitry ny hendry ny hareny; Fa ny fahadalan'ny adala dia fahadalana ihany. 25 Ny vavolombelona marina mamonjy ain'olona; Fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka. 26 Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fiarovana mahatoky, Ary ny zanany hahazo fialofana. 27 Ny fahatahorana an'i Jehovah no loharanon'aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.Ilay vavolombelona
mijoro
“Ny vavolombelona marina mamonjy ain’olona”(and25)
1-Mamonjy ain’olona
Ny vavolombelona dia afaka
hiaro satria nahita sy nanatrika
ary afaka hitantara ny zava-nisy marina ka tsy manampy
na manala izay tena nitranga marina .Manampy ny olona amin’ny fanambarana ny marina amin’izany ny vavolombelona. Eto ambaran’ny
ohabolana fa mamonjy ain’olona ny vavolombelona marina ,
satria manavotra ilay
olona amin’ny fiampangana .
2-Mandrava ny herim-pahafatesana
Fahafatesana no tanjon’ny fiampangana ary raha tsy manana porofo ny amin’izay zava-marina ny voampanga dia hiharan’ny famonoana . Andraikitry ny vavolombelona ny mandrav izany didim-pitsarana izany ka hahavelona ilay voampanga . Moa tsy toy izany va isika noho ny fahotantsika? Olo-meloka ka tokony ho faty. “Fa fahafatesana no tambin’ny ota” hoy ny voasoratra (Rom 6.23) . Kanefa misy ilay vavolombelona izay manamarina antsika maimaimpoana , dia I Jesoa . Hoy ny voasoratra :”nefa hamarinina mamaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’I Kristy Jesoa” (Rom 3.24/ Rom 5.9)
Fanontaniana:
Efa nifidy an’i Jesoa ho vavolombelona hanamarina anao va ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM