Ilay mpanjaka miavaka

Mofonaina anio: Alarobia, faha 14 Desambra 2022

LIOKA 19.11-28

LIOKA 19.11-28
11 Ary raha mbola nihaino izany ny olona, dia nandroso niteny ihany Jesosy ka nanao fanoharana, satria efa akaiky an'i Jerosalema Izy, ka nataon'ny olona fa hiseho faingana ny fanjakan'Andriamanitra. 12 Dia hoy Izy: Nisy andriandahy anankiray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina. 13 Dia niantso folo lahy tamin'ny mpanompony izy ary nanome azy farantsa* folo ka nanao taminy hoe: Mandrantoa mandra-pihaviko. [*Gr. mina = drakma = tokony ho farantsa 15] 14 Fa ny vahoakany* nankahala azy, dia nampitondra reny nanaraka azy nanao hoe: Tsy manaiky hanjakan'iny lehilahy iny izahay.[*Na: vahoaka namany] 15 Ary nony tafaverina izy, rehefa nandray fahefana hanjaka, dia nasainy nantsoina hankeo aminy izany mpanompo nomeny ny vola izany mba hahitany izay azony tamin'ny fandrantoana. 16 Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa nahazoana tombony farantsa folo. 17 Ary hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin'ny kely indrindra ianao, dia manapaha tanàna folo. 18 Dia tonga ny anankiray koa ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa tonga farantsa dimy. 19 Ary hoy koa izy tamin'io: Manapaha tanàna dimy koa ianao. 20 Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: Tompoko, indry ny farantsanao, izay notehiriziko voafono amin'ny mosara. 21 Fa natahotra anao aho, satria olona mila voatsiary ianao ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja izay tsy nafafinao. 22 Ary hoy ny tompony taminy: Ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy: fantatrao fa izaho dia olona mila voatsiary ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko; 23 koa nahoana no tsy napetrakao tamin'ny mpanana vola ny volako, ka rehefa tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany? 24 Ary hoy izy tamin'izay nitsangana teo anilany: Alao ny farantsa eny aminy, ka omeo ilay manana farantsa folo 25 (Fa hoy ireo taminy: Tompoko, efa manana farantsa folo izy.) 26 Lazaiko aminareo: Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin'izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. 27 Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento at? , ka vonoy eto anatrehako. 28 Ary rehefa niteny izany Izy, dia nandeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema.

Ilay mpanjaka miavaka

Fanoharana ny amin’ireo mpanompo namena farantsa no nataon’i Jesoa ho an’ireo olona izay mihevitra fa handray ny fanjakana Izy rehefa tonga any Jerosalema.

1-Mamantatra ny asan’ny mpanompony

Ny andriandahy dia olona ambony , taranaka andriana tonga mpanjaka rehefa mahazo fankatoavana .Mialohan’ny nandehanany haka fahefana dia nanome farantsa ho an’ny mpanompony izy .Tsy navahany fa samy nomeny araka ny fahafantarany ny tsirairay.Farantsa tsy hotehirizina fa hampiasaina .Nomena fotoana hahafahana miasa ny tsirairay ka rehefa miverina izy dia hamantatra ny vokatry ny asany .Tsarovy fa nomen’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana ianao ,nomen’Andriamanitra fotoana ianao .Mbola ho avy ny Tompo hamantatra ny asanao Izy .

2-Manome fanjakana ho an’izay mahatoky

Rehefa tonga ilay andriandahy ,nanjaka teo amin’ny olony dia nanadina ny amin’izay nampiasan’ireto mpanompo ny farantsa nomena ny tsirairay .Niseho ny toetran’ny tsirairay: ireo tena niasa sy namokatra dia nomena valisoa, nitokisana ka nomena tanàna mba hanjakana ,nomena fahefana hanapaka sy hanjaka miaraka aminy .Fa ireo tsy namokatra kosa dia ho very na izay kely mba nomena azy aza.Tsarovy fa Ilay Andriamanitra Tompon’ny fanjakana rehetra dia matoky ka hampitombo anao amin’ny anjara fanompoana Azy rehefa mitoetra ho mahatoky ka manao tsara izay asa nanendreny ianao .

Fanontaniana :

Hainao ve ny mampiasa ny fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM