Ilay fanambarana miavaka
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 04 Septambra 2021
LIOKA 3.15-18
LIOKA 3.15-18
15 Fa raha mbola niandry ny olona, ka samy nisaina an'i Jaona tam-pony, na izy no Kristy, na tsia, 16 dia namaly Jaona ka nanao tamin'izy rehetra hoe: Izaho manao batisa anareo amin'ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; 17 eny an-tànany ny fikororohany hanadiovany tsara ny no am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho any amin'ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy azo vonoina. 18 Ary fananarana maro hafa koa no notoriny tamin'ny olona.Ilay fanambarana miavaka
« Fa avy izay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hamaha ny fehinkapany aza aho » (and15). Raha nisaina an’i Jaona tao am-pony ny Jiosy na izy no Kristy na tsia dia tsy nisalasala izy naneho marimarina fa Jesoa no Ilay mahery noho izy . Notsorin’i Jaona tamin’izy ireo fa mpisava làlana ihany izy . Jesoa tokoa no ilay mahery amin’ny teny sy ny asa teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra (Lio 24.19)
2-Miresaka momba ny Fanahy Masina
« Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo » (Lio 3.16) Mifamatotra akaiky ny finoana an’i Jesoa sy ny fandraisana ny Fanahy Masina . Ny olona izay mandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy azy dia efa misitraka ny Fanahy Masina (2 Kor 3.16-17). Fomba maro ireo fomba ahafahan’ny mpino misitraka ny Fanahy Masina : amin’ny alalan’ny fangatahana amin’ny Tompo (Lio 11.13), amin’ny alalan’ny vavaka sy fametrahan-tànana. Miharihary eto fa tsy nanao batisa fanindroany ny Apostoly fa fametrahan-tànana no nataony (Asa 8.15-17), amin’ny alalan’ny fihainoana toriteny (Asa 10.44) satria tsy misy fetra ny fanomezan’Andriamanitra ny Fanahy (Jao 3.34),amin’ny alalan’ny vavaka (Asa 4.31) . Tsy fanahy osa no nomen’nyTompo antsika fa Fanahy mitondra finoana miredareda , hahafahana mijoro vavolombelona , hitoriana ny Filazantsara , handehanana amin’ny fahamarinana sy ny fahamasinana.
Fanontaniana:
Manomeza santionany iray fantatrao izay hahafahan’ny mpino misitraka ny Fanahy Masina ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM