Ilay Andriamanitry ny fanekena
Mofonaina anio: Alahady, faha 05 Septambra 2021
GENESISY 17.9-14
GENESISY 17.9-14
9 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby. 10 Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo. 11 Dia hoforana ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany. 12 Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby: na ny ompikely. na izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena ka tsy avy amin'ny taranakao. 13 Tsy maintsy hoforana ny ompikelinao sy izay novidinao vola; ary ny fanekeko dia ho ao amin'ny nofonareo ho fanekena mandrakizay. 14 Ary ny lehilahy tsy voafora, izay tsy mbola noforana, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny; efa nivadika ny fanekeko izy.Ilay Andriamanitry ny fanekena
1-Manome baiko ny mpanompony
« Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo » (and10). Nanome baiko ny olony Andriamanitra . Baiko izay manome toromarika hahafahana manavaka ny vahoçkany . Izany dia loharanom-pitahiana ahafahana misitraka ny tsodrano izay foin’Andriamanitra ho an’i Abrahama sy ny taranaka mifandimby . Tany amin’ny Testamenta Taloha araka izany dia ny famorana no mariky ny fanekena , ary mampiavaka ny vahoakan’Andriamanitra . Tato aoriana dia ny famoran’i Kristy izay famorana tsy nataon-tànana indray dia ny batisa no famantarana mampiavaka ny zanak’Andriamanitra (Kol 2.11-12)
2-Mitsodrano ny mpanompony
« Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao, eny hitahy azy Aho ka ho tonga firenena maro avy aminy » (and16). Andriamanitra manome toromarika ny mpanompony ary mampanantena fitahiana , fitohizan’ny taranaka ary famirapiratana amin’ny alalan’ny fisian’ny mpannompony izay ho tonga mpanjaka . Marihana fa amin’ity fotoana anomezan’Andriamanitra tsodrano an’i Abrahama ity dia tsy mbola teraka akory i Isaka. Aoka hatoky ny Tompo mandrakariva isika fa Izy no loharanom-pandresena . Jesoa ihany koa dia mampanantena fahombiazana ho antsika izay matoky Azy (Rom 8.37)
Fanontaniana :
Ampitahao ny famorana voalaza eto sy ny famoran’i Kristy voalaza ao amin’ny Kol 2.11-12
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM