Ilay Andriamanitra Fanahy Masina

Mofonaina anio: Alahady, faha 26 Mey 2024

Genesisy 11. 1-9

Genesisy 11. 1-9
1 [Ny nanaovan'ny olona ilay tilikambo tao Babela, sy ny nanorokoroan'Andriamanitra ny fitenin'ny olona] Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny. 2 Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin'ny tany Sinara izy ka nonina teo. 3 Ary niresadresaka hoe izy: Andeha isika hanao biriky ka handotra azy tsara. Ary ny biriky na taony solom-bato, ary ny asfalta nataony solon-drihitra. 4 Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin'ny tany rehetra isika. 5 Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon'ny zanak'olombelona. 6 Ary hoy Jehovah : Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan'ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao. 7 Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy. 8 Dia tao no nampielezan'i Jehovah azy hiala ho eny ambonin'ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy. 9 Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin'ny tany rehetra; ary tao no nampielezan'i Jehovah ny olona ho eny ambonin'ny tany rehetra.

Ilay Andriamanitra Fanahy Masina

Ny tantaran’ilay tilikambo tao Babela dia maneho ny fisainan’ny fon’ny olona sy hetsika nataon’Andriamanitra.

1- Mahalala ny fisainan’ny olona Andriamanitra.

Raha dinihina ny zava-nitranga eto dia toa tsara ihany satría nanana firaisam-po sy saina hanao zavatra miavaka ny olombelona (and.4). Misy endrika faharatsiana miseho anefa, satria miray saina sy miray hevitra hanao zavatra mitady laza manokana ho azy sy hifaninanana amin’Andriamanitra izy ireo (and.4). Hadinony ny fisian’ Andriamanitra izay nahary sy namorona. Tsikaritr’Andriamanitra fa raha mitohy izao toe-javatra izao dia ho tafasaraka Aminy ireto olona. Tsarovy fa mahalala ny fisainana sy ny fikasan’ny olona Andriamanitra amin’ny maha mpahary Azy, amin’ny maha Fanahy Azy. Tandremo ny fikasanao izay mampisaraka anao amin’ilay Andriamanitra efa namonjy anao.

2-Mandrava ny fikasana ratsy Andriamanitra

Nifankahazo fiteny ny olona, izany no nahafahany nisaina sy nifanakalo hevitra hanao ny tilikambo tao Babela. Vahaolana hitan’ Andriamanitra ho fandravana ny fisainana ratsy ny hahatonga ny olona hanana fiteny samihafa ka tsy hifankahazo fiteny intsony. Andriamanitra no nidina nanatanteraka izany. Andriamanitra mandinika ny voa sy ny fo Izy, mahita ny toe- pon’ny tsirairay ka mandrava ny lalan-dratsy. Fitiavan Andriamanitra manokana izany. Ilay Andriamanitra Fanahy Masina irery ihany no afaka miditra an-tsehatra eo amin’ny fiainan’ny olona hitondra fanavaozana ho amin’ny fiainana tsara sy masina.

Fanontaniana:

Ahoana no ahafantarana fa mifanaraka amin’ny Sitrapon’Andriamanitra ny fikasanao sy ny asa ataonao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe