Ilain’ny Tompo  sy ny Fiangonana ve ny  rakitra ? Ahoana  no  tokony  ho  fanabetsahany ?

Mofonaina anio: Alahady, faha 22 Aogositra 2021

MARKA 12.41-44

MARKA 12.41-44
41 Ary raha nipetraka tandrifin'ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka tao; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao. 42 Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka farantsakely* roa an-kevitry ny variroaventy avy.[*Gr. lepta roa, dia farantsakely varahina izany = kodranta iray = tokony ho variroaventy] 43 Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin'ny fandatsahan-drakitra. 44 Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany ho nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin'ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.

Ilain’ny Tompo  sy ny Fiangonana ve ny  rakitra ? Ahoana  no  tokony  ho  fanabetsahany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM