ialao ny fahababoana …ka
Mofonaina anio: Zoma, faha 03 Septambra 2021
Deoteronomia 30.1-6
Deoteronomia 30.1-6
1 Ary rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin'ny firenena rehetra izay androahan'i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, 2 ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio, 3 dia hampodin'i Jehovah Andriamanitrao avy amin'ny fahababoanao ianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any amin'ny firenena rehetra izay nampielezan'i Jehovah Andriamanitrao anao. 4 Raha misy aminao voaroaka any amin'ny faravodilanitra, dia avy any no hanangonan'i Jehovah Andriamanitrao anao, ary avy any indray no hanalany anao. 5 Dia hampidirin'i Jehovah Andriamanitrao ao amin'ny tany izay nolovan'ny razanao ianao, ka holovanao izany; ary hanisy soa anao Izy sy hahamaro anao mihoatra noho ny razanao. 6 Dia hoforan'i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon'ny taranakao hitiavanao an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao.ialao ny fahababoana …ka
1-Mahatsiarova tena
« Ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin’ny firenena rehetra izay androahan’i Jehovah Andriamanitrao ianao« (and1) . Mampiavaka ny bokin’i Deoteronomia ny resaka fitahiana sy ny ozona . Raha sanatria miaina tsy fahombiazana dia ilaina ny fahatsiarovantena . Iza no ho tamana hiaina amin’ny fahababoana? Aoka ho fiainantsika ny hiandrandra fanafahana ao amin’i Jesoa Kristy Tompo .
2-Miverena ao amin’ny Tompo
« ka miverena amin’i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony ianao » (and 2). Na eo aza ny fahatsiarovantena nefa tsy misy dingana ho amin’ny fiovana dia zava-poana ihany . Tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo , ka mibebaha ka manaova ny asa voalohany (Apo 2.5)
3-Fantaro fa miasa hanova ny fonao ny Tompo
« Dia hoforan’i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ny taranakao » (and 6). Andriamanitra . Andramanitra dia miasa eo aminao sy ny taranakao amin’ny fomba rehetra. Fiovana latsa-paka hatrany anaty ary fiovana tanteraka.
4-Tiavo ny Tompontsika
« Hitiavanao an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra » (and6).Andriamanitra no ambony indrindra amintsika . Tsy misy tahaka Azy.
Fanontaniana :
Inona avy ireo dingana takiana amin’izay te-hiala amin’ny fanandevozan’ny fahavalo?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM