Iaino ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 04 Novambra 2024
2 Timoty 3.10-13
2 Timoty 3.10-13
10 [Famporisihana an'i Timoty handroso tsara araka ny efa nataony ihany] Fa ianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, 11 ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin'izany rehetra izany. 12 Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina. 13 Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina.Iaino ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra
1. Sehatra isehoan’izany:
Ambaran’i Paoly eto izay tokony hiainana izany: Ao anaty fampianarana dia izay raisina ka harafitra ao an-tsaina ho zary fahalalana sy fiainana. Amin’ny fitondran-tena. Fa tokony ho hita taratra amin’izay atao izany. Amin’ny fisainana dia izay hita taratra amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra manoloana ny zava- misy. Amin’ny finoana dia izay ijoroana manoloana ny zava-misy. Amin’ny fandeferana dia izay fametrahana ny safidin’ny tena manoloana ny hafa. Amin’ny fitiavana dia ny fanehoana izay atao rehetra. Amin’ny faharetana dia fiandrasana ny fotoanan’ny Tompo. Amin’ny ankapobeny dia amin’ny fiainana manontolo ny fijoroana ho vavolombelona. (Vakio 1 Timoty 4.12).
2. Sehatra isehoan’ny fanenjehana:
Zava-tsarotra atrehintsika ny fanenjehana nefa voambara ihany koa fa zavatra mahasambatra izany (Mat. 5.10). Izay ampianarin’i Paoly antsika eto dia ny dingana isehoan’ny fanenjehana. Voalaza mantsy eto fa izay rehetra TE-HO VELONA amin’izany dia henjehina. Izany hoe tsy endrika ivelany fotsiny fa tena hivelomana mihitsy. Amin’izany dia tsy maintsy manampo fanenjehana. Izany no mitranga moa dia noho ny fandavan’ny olona ny fahazavana entintsika eto amin’izao tontolo izao feno fahamaizinana. Hoy Jesoa: «Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ny amboadia » (Mat 10.16). Tsy hisy amboadia hijerijery ondry eo afovoany izany fa ny handrapaka izany no ao an-tsainy.
Fanontaniana:
Inona avy ireo singa tokony ho hita ao amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe