I Jesoa Ilay Mesia fampihavanana
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 03 Desambra 2020
ASAN'NY APOSTOLY 10.34-43
ASAN'NY APOSTOLY 10.34-43
34 Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra; 35 fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany. 36 Hianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho amin'ny Zanak'isiraely, mitory teny soa milaza fiadanana amin'ny alalan'i Jesosy Kristy (Izy no Tompon'izao rehetra izao), 37 dia ilay teny natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia rehetra teo aorian'ny batisa izay notorin'i Jaona, dia ny amin'i Jesosy avy any Nazareta, 38 Izay nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon'ny herin'ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy. 39 Ary izahay no vavolombelon'ny zavatra rehetra izay nataony tany amin'ny tanin'ny Jiosy sy tany Jerosalema; Izy dia novonoiny nahantony teo amin'ny hazo; 40 nefa natsangan'Andriamanitra kosa Izy tamin'ny andro fahatelo ka nasehony marimarina, 41 tsy tamin'ny olona rehetra, fa tamin'ny vavolombelona izay notendren'Andriamanitra rahateo, dia taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy. 42 Ary Izy nandidy anay hitory amin'ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin'Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty. 43 Izy no ambaran'ny mpaminany rehetra, fa amin'ny anarany no hahazoan'izay rehetra mino Azy famelan-keloka.I Jesoa Ilay Mesia fampihavanana
1-Mandrava ny fanavakavahana
i Petera Apostoly izay mpitarika ny Fiangonana tao Jerosalema dia isan’ireo Apostoly tsy resy lahatra ny amin’ny hitoriana ny Filazantsara amin’nyJentilisa , fa aminy dia natao ho an’ny vahoaka Jiosy irery ihany ny famonjena . Miseho anefa eto amin’izao perikopa izao fa niaiky volana i Petera ka niloa-bava ampahibemaso fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy noho ny famonjena nataony dia foana izany fanavakavahana izany , satria hitany sy tsapany fa « tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra » fa na Jiosy na Jentilisa dia manana anjara amin’izany famonjena izany avokoa . Araka izany , ny olona izay manaiky sy mino an’i Jesoa ho Mesia ihany koa dia tsy manome vahana ny fanavakavahana amin’ny endriny rehetra .
2-Mahatanteraka ny fiadanana
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy izay Tompon’ izao rehetra izao no tanteraka ny Teny soa milaza fiadanana izay efa ambaran’ Andriamanitra hatramin’ny vanim-potoanan’ireo Zanak’ Israely . Sitrapon’ Andriamanitra tokoa araka ny ambaran’ny Soratra Masina , ampahatsiarovan’i Petera eto ny hanjakan’ny fiadanana sy ny filaminana eto amin’izao tontolo izao ka ny fahafatesan ‘i Jesoa sy ny fandreseny ny fahafatesana no mahalavorary izany fiadanana avy amin’ Andriamanitra izany . Koa minoa an’i Jesoa dia raiso ny fiadanana atolotr’ Andriamanitra , ary iaino sy ijoroy ho vavolombelona isanandro isanandro .
Fanontaniana :
Inona no andraikitra raisinao manoloana ireo endrika fanavakavahana samihafa izay mbola iainan’ny fiaraha-monina ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM