Hoy i Paoly

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 18 Septambra 2025

Sal 123.1,2 / Hira 28 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 642.1

Asan'ny Apostoly 19,1 - 10
1 Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy 2 ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina. 3 Ary hoy Paoly: Ho amin'inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin'ny batisan'i Jaona. 4 Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy. 5 Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo. 6 Ary rehefa nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany. 7 Ary tokony ho roa ambin'ny folo lahy no isan'izy rehetra. 8 Ary Paoly niditra tao amin'ny synagoga ka niteny tamin'ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 9 Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana* izany teo imason'ny olona maro, dia niala tamin'ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan'andro tao amin'ny trano fampianaran'i Tyrano. [* Gr. lalana] 10 Ary naharitra roa taona ngarangidina izany, ka dia nandre ny tenin'ny Tompo izay rehetra nonina tany Asia, na Jiosy na jentilisa*. [* Gr. Grika]

Sal 123.1,2 / Hira 28 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 642.1

Asan’ny Apostoly 19.1-10

Hoy i Paoly:

« I Jaona nanao ny batisan’ny fibebahana ka nilaza tamin’ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia i Jesosy. » (and.4)

Resaka fandraisana ny Fanahy Masina no iandohan’ity toko ity. Fa ahoana tokoa moa no andraisana ny Fanahy Masina?

1. Mibebaha marina

« I Jaona nanao ny batisan’ny fibebahana », hoy i Paoly eto. Ary marina izany satria nirahina hitory izany batisan’ny fibebahana izany i Jaona (Lio.3,3). Fibebahana marina no notakîny: « mamoaza voa mendrika ny fibebahana », hoy izy (Lio.3,8), izany hoe: asehoy fa tena miova ianao rehefa nibebaka, ka misy asa mivaingana hita ataonao aterak’izany.

2. Minoa marina an’i JESOA

Tamin’ny toriteniny voalohany, dia hoy i JESOA hoe: « Mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara » (Mar.1,15); Mibebaka aloha, saingy tsy mijanona eo fa miroso amin’ny finoana marina an’i JESOA ka manaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy. Fa amin’izany ihany no andraisana ny Fanahy Masina, na tsy voatery hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra aza, tahaka an’i Paoly: nandray ny Fanahy Masina fa tsy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra (vakio Asa 9,17-18)

Fanontaniana:

Efa nataonao ve ireo dingana ireo?

Sampana Sekoly Alahady Foibe