Hoy i Josafata, Mpanjaka

Mofonaina anio: Alarobia, faha 17 Septambra 2025

Sal 93 / Hira 7 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 460.1.3

2 Tantara 20,20 - 23
20 Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an-efitr'i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo. 21 Ary rehefa niara-nihevitra tamin'ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an'i Jehovah hidera amin'ny fihaingoana masina, raha mivoaka eo anoloan'ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Miderà an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony. 22 Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian'i Jehovah otrika hamely ny taranak'i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seira, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo. 23 Dia nitsangana ny taranak'i Amona sy Moaba namely ny avy any an-tendrombohitra Seira ka namono sy nandringana azy; ary nony voaringany ny mponina tany Seira, dia nifandringana kosa izy samy izy ihany.

 

« Minoa an’i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo. » (and.20)

Tahaka ny Zanak’i Israely eto dia miatrika ady mandrakariva isika. Ahoana no hiatrehana izany?

Ny finoana dia fahatokiana feno. Raha vakina hatrany amin’ny fiandohany ity 2 Tan.20 ity dia hitantsika fa vavaka no nanehoan’i Josafata Mpanjaka izany finoany an’Andriamanitra izany. Ka tsy mino fotsiny dia mivavaka, fa mino ny valim-bavaka indrindra koa. Ny dikan’ny teniny eto dia izao: minoa ka mivavaha, ary rehefa nivavaka dia « minoa fa efa nandray » (Mar.11,24), araka ny tenin’i JESOA!

I Jahaziela, voalazan’ny and. 14, no tondroiny amin’izany. lo Mpaminany io no nitory ny tenin’i Jehovah nanome toky hoe: « Aza matahotra » fa i Jehovah no hiady ho an’ny vahoakany! (and.17). Ny finoana dia miorina amin’ny tenin’Andriamanitra mandrakariva (Rom. 10,17). Koa eo amin’ny adinao rehetra: minoa, raiso ho anao, ifikiro ny Tenin’Andriamanitra vakinao, na ny toriteny renao.

Manao ahoana ny famakianao Baiboly isan’andro? Manao ahoana ny fankatoavana izany?


Mofon'aina teo aloha

Hoy i JESOA !

Talata, 16 Septambra 2025

Hoy i JESOA « Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak’olona,…

Sahia mijoro hampiorina finoana

Alatsinainy, 15 Septambra 2025

Sahia mijoro hampiorina finoana Natao fivavaham-pirenena ny fanompoana ny Bala tamin’ny andron’i Ahaba, Mpanjaka vadin’i…

Misitraka famonjena ny mino

Alahady, 14 Septambra 2025

Misitraka famonjena ny mino Rehefa mahalala ny maha Mesia an’i Jesoa Niantsoantso ireto jamba roalahy…