Hoy i Jesoa: « Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’ny Isiraely aza. » (and.9)

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 25 Septambra 2025

Sal 19.7-9 / Hira 547 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 645,4

Lioka 7,1 - 10
1 Ary rehefa vitan'i Jesosy teo anatrehan'ny olona izany toriteniny rehetra izany, dia nankany Kapernaomy Izy. 2 Ary ny mpanompon'ny kapiteny anankiray, izay malalany, dia narary efa ho faty. 3 Koa raha nahare ny amin'i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jiosy hankeo aminy hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony. 4 Ary rehefa tonga teo amin'i Jesosy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Miendrika ny hanaovanao izany izy, 5 satria tia ny firenentsika izy, sady izy no efa nanao ny synagoga ho antsika. 6 Ary Jesosy nandeha niaraka taminy. Ary rehefa efa mby teo akaikin'ny trano Izy, ilay kapiteny dia naniraka sakaiza hitsena Azy ka nanao taminy hoe: Tompoko, aza manahirana ny tenanao Hianao; fa tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho. 7 Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo aminao; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko. 8 Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany, ka manana miaramila izay feheziko; koa hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy, ary amin'ny anankiray koa Avia, dia avy izy, ary amin'ny mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy. 9 Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin'ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin'ny Isiraely aza. 10 Ary nony tafaverina tao an-trano ireo iraka ireo, dia hitany fa sitrana ilay mpanompo.

Hoy i Jesoa: « Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’ny Isiraely aza. » (and.9)

« Gaga » tamin’ny finoan’ity kapiteny romana ity i JESOA; ary mariho fa indroa ihany i JESOA no voatantaran’ny Filazantsara fa gaga toy izany: eto ny iray, ary ao amin’ny Mar.6,6 ny iray. Fa inona no nahagaga an’i JESOA tamin’ity kapiteny romana ity?

1. Ny finoana feno fanetren-tena nananany

Kapiteny romana, nanam-boninahitra sy fahefana, izy nefa dia niteny hoe: « na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo aminao« (and.7). Ary tena fieritreritra izany amin’izao androntsika tsy ahaizan’ny maro manetry tena izao!

2. Ny finoana tsy nila fahitana nananany

Na amintsika ankehitriny aza, dia toy ny mbola hoe ny Mpiandry tonga eo, dia miasa amin’ilay marary ihany no mbola anantenantsika fa hahasitrana azy. Ity kapiteny ity kosa nino fa, na tsy manatrika eo aza i JESOA, miteny fotsiny Izy dia ampy hahasitrana ilay marariny! Izany hoe: manao fanasitranana avy ilavitra! Izy anefa, tsy Jiosy fa Romana, jentilisa! « Mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.« , hoy izy.

Fanontaniana:

Mba mety ho gaga amin’ny finoako sy ny finoanao toy izany kou ve i JESOA?

Sampana Sekoly Alahady Foibe