Horeba ,ilay tendrombohitr’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alahady, faha 23 Aprily 2023

EKSODOSY 3.1-6

EKSODOSY 3.1-6
1 Ary Mosesy niandry ny ondry aman'osin'i Jetro rafozany, mpisorona tao Midiana, dia nitondra ny ondry aman'osy tany ankoatry ny efitra ka nankany Horeba, tendrombohitr'Andriamanitra. 2 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy teo anaty lelafo teo amin'ny roimemy anankiray; dia nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana. 3 Ary hoy Mosesy: Hivily kely aho ka hizaha io fahitana lehibe io, hahafantarako izay tsy ahalevonan'ny roimemy. 4 Ary rehefa hitan'i Jehovah fa nivily hizaha izy, dia niantso azy tao afovoan'ny roimemy Andriamanitra ka nanao hoe: Ry Mosesy, ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho. 5 Ary hoy Izy: Aza manakaiky et?; esory ny kapanao amin'ny tongotrao, fa tany masina io ijanonanao io. 6 Dia hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa natahotra hijery an'Andriamanitra izy.

Horeba ,ilay tendrombohitr’Andriamanitra

Natao hoe : tendrombohitr’Andriamanitra ity tendrombohitra ity ,satria tao Andriamanitra no niseho sy nanambara ny tenany tamin’i Mosesy .Tao koa no nisehoany na nitenenany tamin’ny Zanak’Israely ka nanomezany azy ireo ny didy folo izay nampitondrainy an’i Mosesy . Natao ho isan’ny toera-masina izany ity tendrombohitra ity satria lasa toerana ivavahana sy fihaonana amin’Andriamanitra ary na toa hoe : Horeba ny anarany eto . Fahitana miavaka no hitan’i Mosesy tao nisy ilay roimemy nirehitra fa tsy levona ka nahasarika azy . Ny zavatra tian’ny Tompo ananan’i Mosesy kosa dia ny fanekeny ny herin’Andriamanitra tsy misy tahaka azy ,izay mahafehy ny zavatra rehetra. Efa asehon’Andriamanitra an’i Mosesy sahady izany mba hiheverany ny momba ilay Andriamanitra izany niantso azy rehefa hitarika ho amin’ny fanafahana ny Zanak’Israely izy .

2-Velona Izy sady Andriamanitry ny velona

Tamin’ny alalan’ireto anarana telo voalaza eto ireto : Abrahama,Isaka ary I Jakoba dia nampahafantatra Azy tamin’i Mosesy ny Tompo fa naverina sy nasongadina mihitsy ny hoe : Andriamanitr’Abrahama sy Isaka ary I Jakoba , izany hoe : Andriamanitra velona Izy , ary Andriamanitry ny velona ihany koa . Manana izay hery rehetra hahatanteraka ny fahaveloman’ny olony Izy ary manana fahefana hanampy sy hitahy ny olony rehetra koa izay mino Azy .

Fanontaniana :

Mivavaka amin’Andriamanitra velona isika . Asehoy ny faharesenao lahatra amin’izany ,ny iainanao izany ary hampitanao zany amin’ny hafa .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM