Hoan’ny rehetra ny fampianaram-pinoana
Mofonaina anio: Zoma, faha 13 Septambra 2024
Asan'ny Apostoly 14. 19-28
Asan'ny Apostoly 14. 19-28
19 Ary nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an'i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan'ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy. 20 Fa nony nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy ka lasa niakatra tao an-tanàna. Ary nony ampitso dia niala tao izy sy Barnabasy ka nankany Derbe. 21 Ary rehefa nitory ny filazantsara tamin'izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina nankany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia indray izy, 22 nampahery ny fanahin'ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin'ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin'ny fahoriana be no idirantsika amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 23 Ary rehefa nanendry* loholona** teo amin'ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho an'ny Tompo Izay efa ninoany. [* Na: nampananga-tanana nifidy] [** Gr. presbytera] 24 Ary rehefa nandeha namaky an'i Pisidia izy, dia tonga tany Pamfylia. 25 Ary nony efa nitory ny teny tany Peryga izy, dia nidina nankany Atalia. 26 Dia niondrana an-tsambo niala teo izy hankany Antiokia, izay efa nanolorana azy ho amin'ny fahasoavan'Andriamanitra ho amin'ny asa izay novitainy. 27 Ary rehefa tonga tao izy ka namory ny fiangonana, dia nilaza izay rehetra nataon'Andriamanitra tamin'ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho an'ny jentilisa. 28 Dia nitoetra elaela ihany tamin'ny mpianatra izy.Hoan’ny rehetra ny fampianaram-pinoana
1- Ho an’izay efa miorina tsara:
« Nampahery ny fanahin’ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ny finoana… » (and 22a): misy ireo mpino izay niorina tsara tany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia noho ny Filazantsara izay notoriana tamin’izy ireo. Nampahery ireo efa nanolo-tena hoan’ny Tompo ireo i Paoly sy Barnabasy. Nananatra azy ireo, nanafatra ihany koa mba haharitra hatrany amin’ny finoana izy ireo. Ho antsika mpanao Tafika Masina àry, tsarovy fa mba mila fampaherezana ihany koa ireo izay heverina fa miorina tsara. Ambarao aminy hoe: « Miorena tsara, aza miova » (1Kor 15, 58). Ho anao izay efa heverina fa miaina amin’ny Asa Fitoriana: atombohy eo aminao aloha ny fampiharana izay Soratra Masina torinao. Aoka tsy ho toy ny mpanera isika ka variana mitaona olona handeha fa izy tafajanona hatrany. Mirosoa hatrany !
2- Hoan’izay mbola any ivelan’ny valan’ondry.
« Nilaza izay rehetra nataon’ny Tompo tamin’ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho an’ny Jentilisa » (and 27): Hita taratra amin’izany fa ilaina tokoa ny mamoha ny varavaram- pinoana eo amin’ireo izay mbola tsy nandray ny Filazantsara. Jesoa dia mitsangana eo am-baravarana ka mandondona. Faly Jesoa rehefa mandre ny feony isika ary mampiantrano Azy. Ireo izay manao azy fa miorina tsara dia mula mitandrina sao lasa fahazarana sisa ny fanompoana izay tanterahina. Tsy maintsy kolokoloina ny finoana, velombelomina hatrany. Ny fijoroana vavolombelona dia fitaovana mahomby ahafahana mizara ny fahatsaran’ny Tompo. Aoka tsy ho variana ao am-piangonana ihany isika.
Fanontaniana
Iza avy ireo tokony tolorana fampianaram-pinoana ?
Sampana Sekoly Alahady Foibe