Ho avy ny Tompo!

Mofonaina anio: Alahady, faha 12 Novambra 2023

Lioka 3.1-9

Lioka 3.1-9
1 Ary tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Tiberia Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka tany Abilena, 2 ary Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe,- dia tonga tamin'i Jaona, zanak'i Zakaria, tany an-efitra ny tenin'Andriamanitra. 3 Ary nankany amin'ny tany rehetra any amoron'i Jordana izy nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka; 4 araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'ny tenin'Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany. 5 Ny lohasaha rehetra hototofana, Ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, Ary ny meloka hahitsy, Ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina; 6 Ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen'Andriamanitra (Isa. 40:3-5). 7 Dia hoy izy tamin'ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? 8 Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto. 9 Ary, indro, efa mipetraka ao amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapohina ka hatsipy any anaty afo.


Ho avy ny Tompo
!

Aoka isika hiomana
Efa fanaon’ny mpanjaka amin’ny firenena maro ny maniraka olona mialoha amin’ny tany izay andehanany. Ireny iraka ireny no manentana ny olona ao amin’ilay tanàna mba hanamboatra tsara mba lalana andehanany ny tsy hisy kitaontaona ka hahatomombana tsara ny fidiran’ny mpanjaka ao an-tanàna. Izany dia toy ny ahafahantsika mampiditra Azy ihany koa ao amin’ny fizinantsilka.
Inona ary no
Mangatal:a amintsika Andriamanitra mba handray anjara amin’ny fanovana ny fontsika. Ao ny tendrombohitra feno fitiavan-tena tsy maintsy haetry, havoanan’ny hakamoana tsy maintsy harodana; ny lohasahan’ny tsy rariny tsy maintsy totofana, ny hadalana sy lainga mampihoron-koditra ao anatintsika izay angatahan’ny Tornpontsika mba hofongorana. Noho izany, ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainantsika mihitsy no mila fanavaozana avy amin’ny Fanahy Masina mba hahatongavana amin’ny tena fibebahana
marina.

Fandinihantena :
Tanisao ireo fanamboarana tokony atao handraisana ny Tompo