Ho avy ny Tompo!

Mofonaina anio: Alarobia, faha 15 Novambra 2023

Ohabolana 1.10-16

Ohabolana 1.10-16
10 Anaka, raha taomin'ny mpanota ianao, Aza manaiky. 11 Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny; 12 Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin'ny fiainan-tsi-hita* Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka;[Heb. Sheola] 13 Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika; 14 Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra: 15 Anaka, aza miara-dalana aminy ianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin'ny alehany; 16 Fa ny tongony mihazakazaka ho amin'ny ratsy Sady faingana handatsa-drà.

Ho avy ny Tompo!

« Anaka, raha taomin’ny mpanota ianao, aza manaiky » (and. 10): Fidio izay iarahanao. «Anaka, raha te hamitaka anao ny mpanota, aza manaiky ho resiny ianao » hafatra ho antsika izany anio. Tsy nataon’Andriamanitra hiolonolona isika eto amin’ ity izao tontolo izao ity, fa hiara-monina amin’olona hafa. Hoy Jesoa tamin’ny vavaka nataony: « Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy anin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy» (Jao 17.15). Ny ataontsika dia ny misafidy izay namana iarahantsika.Fidio izay iarahanao sao ho ratsy fiafara ianao. Manana izay hiafarany ny mpanota dia ny fahatezeran’ Andriamanitra. Koa tsy tian’ Andriamanitra ho amin’izany isika. Hoy ny fanapahan-kevitry ny Tompo: « Ary ario ho any amin’ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitrohanify» (Mat 25.30); tsy mba ho isan’izay handova ny fiainana mandrakizay ireny. Fa isika kosa dia tiany hisantatra sahady ny fanjakany ka ilazany hoe: « Anaka, raha taomin’ny mpanota ianao, aza manaiky, »

Fanontaniana:

Inona avy no efa nitaoman ‘ny mpanota anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM