Ho avy ny andron’ny Tompo

Mofonaina anio: Zoma, faha 04 Novambra 2022
1 Petera 1,1 - 9
1 [Fiarahabana, sy filazana ny amin'ny fahatsaran'ny fanavotana] Petera, Apostolin'i Jesosy Kristy, mamangy ny mpivahiny monina any am-pielezana any Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia sy Bitynia, dia olom-boafidy 2 araka ny fahalalana rahateo, izay an'Andriamanitra Ray, amin'ny fanamasinan'ny Fanahy, ho amin'ny fanarahana sy ny famafazan'ny ran'i Jesosy Kristy: hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana. 3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben'ny famindram-pony ho amin'ny fanantenana velona tamin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty, 4 ho amin'ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo, 5 izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny finoana ho amin'ny famonjena efa vonona haseho any am-parany. 6 Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin'ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany, 7 mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin'ny afo aza), dia amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy; 8 Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin'ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra, 9 mandray ny anton'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.

1 Petera 1 : 1 – 9

Ho avy ny andron’ny Tompo

1- Efa nateraka ho olom-baovao ve ianao?

Fanambarana lehibe no ataon’i Petera eto: Andriamanitra dia niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindram-pony ho amin’ny fanantenana velona… ho amin’ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho antsika. Jesoa dia efa niteny fa « Izay ateraky ny nofo dia nofo ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy » (Jao 3:6) ary namafisin’i Paoly izany hoe: « Moa tsy fantatrarea va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? » (1 Kor. 6:9). Ity tenantsika potika sy mpakamamy fahotana ity dia tsy handova ny lanitra koa mila ateraka indray ao amin’i Jesoa Kristy isika. Ary izany no efa ataon’Andriamanitra araka ny voalazan i Petera eto.

2- Tsy izay fahoriana anio no hamaritana ny hoavy

Ny fahafantarana fa miaina ilay fahateraham-baovao isika no miteraka toe-po vaovao satria na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fakam-panahy maro samy hafa aza isika, raha tsy maintsy hisy izany, dia hiravoravoantsika amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra izany any am-parany. Matetika ny fahoriana manjo antsika eto an-tany no mahavery hevitra antsika ka hahatsiarovantsika ny any am parany. Tsarovy fa efa manamboatra ilay tsara lavitra ho antsika i Jesoa. Any no hivantana isika rehafa tonga haka antsika Izy. « Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itarako no hitoeranareo koa. » (Jao 14:3)

Fanontaniana: Inona avy no hatsapanao fa olom-baovao handova lanitra