Ho avy ny andron’ny Tompo

Mofonaina anio: Zoma, faha 04 Novambra 2022

1 PETERA 1.1-9

1 PETERA 1.1-9
1 [Fiarahabana, sy filazana ny amin'ny fahatsaran'ny fanavotana] Petera, Apostolin'i Jesosy Kristy, mamangy ny mpivahiny monina any am-pielezana any Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia sy Bitynia, dia olom-boafidy 2 araka ny fahalalana rahateo, izay an'Andriamanitra Ray, amin'ny fanamasinan'ny Fanahy, ho amin'ny fanarahana sy ny famafazan'ny ran'i Jesosy Kristy: hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana. 3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben'ny famindram-pony ho amin'ny fanantenana velona tamin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty, 4 ho amin'ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo, 5 izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny finoana ho amin'ny famonjena efa vonona haseho any am-parany. 6 Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin'ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany, 7 mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin'ny afo aza), dia amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy; 8 Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin'ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra, 9 mandray ny anton'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.

Ho avy ny andron’ny Tompo

1-Efa nateraka ho olom-baovao ve ianao?

Fanambarana  lehibe no ataon’i Petera  eto . Andriamanitra dia niteraka antsika indray  araka ny haben’ny  famidrampony ho amin’ny fanantenana velona …ho amin’ny lova tsy mety simba , tsy misy loto , tsy mety levona , voatahiry  any an-danitra  ho antsika . Jesoa  dia efa niteny  fa “ izay ateraky  ny nofo dia nofo , ary izay ateraky ny fanahy dia fanahy “ (Jao 3.6)  ary nohamafisin’I Paoly izany hoe: «  moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina dia tsy mba handova ny fanjakan’ny lanitra ? “(1 Kor 6.9) . Ity tenantsika potika sy mpankamamy fahotana ity dia tsy handova ny lanitra .Koa mila ateraka indray ao  amin’I Jesoa Kristy isika . Ary izany no efa ataon’Andriamanitra araka ny voalazan’I Patera eto .

2-Tsy izay fahoriana anio no hamarotana ny ho avy

 Ny fahafantarana fa miaina ilay  fahateraham-baovao isika  no miteraka  toe-po vaovao  , satria na dia ampalahelovana vetivety ankehitriny amin’ny fakampanahy maro samihafa aza isika , raha tsy maintsy hisy izany , dia hiravoravoantsika amin’ny fifaliana tsy azo tononina  sady be voninahitra izany any am-parany .  Matetika ny fahoriana manjo antsika ety an-tany no mahavery hevitra antsika  ka tsy hahatsiarovantsika  ny any am-parany . Tsarovy fa efa manamboatra ilay tsara lavitra ho antsika I Jesoa .Any no hivantana isika rehefa tonga haka antsika Izy . “Ary raha handeha hamboatra fitoerana  ho anareo  Aho , dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko ka izay hitoerako no hitoeranareo koa”. (Jao 14.3)

Fanontaniana:

Inona avy no hahatsapanao fa olom-baovao  handova lanitra ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM