Ho avy amim-boninahitra ny Tompo Jesoa.

Mofonaina anio: Talata, faha 04 Novambra 2025

Sal 98,1-3 / Hira 21:1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 701

Matio 16,24 - 28
24 Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handĂ  ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. 25 Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany. 26 Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy? 27 Fa ho avy ny Zanak'olona amin'ny voninahitry ny Rainy, mbamin'ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony. 28 Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak'olona avy amin'ny fanjakany.

Matio 16. 24-28

Ho avy amim-boninahitra ny Tompo Jesoa hamaly araka ny asan’ny tsirairay amin’ny maha Mpanjaka Azy (and.27)

1. Ho very ny mpianatra sandoka

Izao teny nambaran’i Jesoa izao dia miantefa indrindra amin’ny mpianatra, tohin’ny valinteny nomeny an’i Petera (And.23). Aschon’i Jesoa fa misy fepetra mazava ny maha mpianany na dia nofidiana aza ireo: mandà ny tenany, mitondra ny hazo fijaliana, manaraka Azy. Ireo rehetra ireo dia mifatotra amin’ny fiainana maha olona: saina, vatana, fanahy. Ary somary mifantoka kokoa amin’ny nofo. Ilay voninahitra sy fifaliana kely ety an-tany mihitsy no mety ho rava sy tsy hahazo toerana. Ka izay mikatsaka fotsiny ny hahafaly ny nofo mba hahavelomana amin’izao fiainana an-tany izao dia ho tonga any amin’ny fahaverezana, na dia miseho ho mpiantry ny Tompo aza. Mitandremana sao ho very !

2. Ho voavonjy ny tena mpanaradia

Amin’ireo mpianatry ny Tompo kosa dia misy ireo mikatsaka mandrakariva izay hiombonam-piainana amin’i Jesoa. Mahatsiaro ny làlam-pijalian’ny Tompo ka vonona hiaritra ho amin’izany koa. Tsy mihazakazaka amin’ny filan’ny nofo fa mibanjina ny famonjen’i Kristy ka manaraka ny sitrapony. Ao anatin’izany no mety hiaretana karazam-pahoriana maro samihafa, eny mety hahafoizana ny aina mihitsy aza noho ny amin’ny Tompo. Nefa, lehibe lavitra tokoa ny fiadanana sy fahasambarana omanin’ny Tompoho an’izaytena mpanaradia azy marina, izay ho voavonjy, noho ny zava-tsoan’ny tany. Hoy Jesoa: «Katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany dia hanampy ho anareo izany rehetra izany » (Mat.6,33). Tsy afa-misaraka amin’izany rehetra izany ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Fanontaniana:

Efa azonao antoka ve fa anisan ireo voavonjy ianao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe