Ho an’ny sokajin’olona rehetra ny fankalazana

Mofonaina anio: Alahady, faha 10 Desambra 2023

Matio 21:15-17

Matio 21:15-17
15 Fa nony hitan'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny zavatra mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantso eo an-kianjan'ny tempoly ka manao hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! - dia tezitra izy 16 ka nanao taminy hoe: Renao va izay lazain'ireo? Dia hoy Jesosy taminy: Eny; tsy mbola novakinareo va ny teny manao hoe: Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana (Sal. 8. 2)? 17 Dia nandao azy Izy ka niala tao an-tanàna hankany Betania; ary dia nitoetra tao mandritra ny alina Izy.

Ho an’ny sokajin’olona rehetra ny fankalazana

Nanadio sy nametraka ny Tempoly amin’ny maha- izy azy i Jesoa. Ny Tempoly dia toerana ifandraisan’ny olona rehetra amin’ Andriamanitra sy ahafahana mankalaza Azy.

1-Fantaro ny ambaran’ny Soratra Masina

Tezitra tamin’i Jesoa Kristy ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna rehefa nanadio ny Tempoly Izy, nanampy izany ny fisian’ ireo zaza madinika nanao fiderana teo an-kianjan’ ny Tempoly. Nihevitra izy ireo fa tokony hosakanana na horaran’i Jesoa ireto ankizy madinika ireto. Mazava tsara ny valin-teny nataon’i Jesoa Kristy ho azy ireo : ny Soratra Masina no naneho sy manambara fa manana anjara amin’ny fiderana an’Andriamanitra ny ankizy (and.16). Ny olona rehetra mahita ny asan’Andriamanitra dia afaka mankalaza Azy.

2-Apetraho amin’ny toerana marina ny Tempoly

Rehefa nandroaka ireo mpivarotra, nanadio ny Tempoly i Jesoa, nanasitrana ny jamba sy ny mandringa teo an-kianjan’ny Tempoly dia niseho izao fiderana miavaka izao. Napetrak’i Jesoa Kristy amin’ny toerana marina ny Tempoly. Ny Tempoly dia toerana hihaonana amin’ Andriamanitra, andraisan’ny olona rehetra fahasoavana sy fitahiana. Nisy anefa ireo olona izay nivarotra, nitady tombotsoa manokana, nanao varotra sy fanakalozam-bola ka nanelingelina ireo sokajin’olona hafa tokony hankeo amin’ny Tempoly. Apetraho amin’ny anjara toerana maha -izy azy ny trano fiangonana dia afaka hankalaza an’Andriamanitra ny olona rehetra.

Fanontaniana:

İnona no tokony hatao mba tsy hisy olona ho voailika amin ny fankalazana an ‘Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM