Ho an’iza ny famonjen’i Jesoa Kristy ? Ary misy toetra takiana amin’izay efa novonjeny ve?

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 03 Septambra 2022
KOLOSIANA 1.21-29
21 Ary ianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin'ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitriny 22 tao amin'ny tenan'ny nofony, tamin'ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany, 23 raha maharitra amin'ny finoana ianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin'ny fanantenana avy amin'ny filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin'ny lanitra rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo. 24 Ankehitriny dia mifaly amin'ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin'ny nofoko izay tsy vita tamin'ny fahorian'i Kristy ho an'ny tenany, dia ny fiangonana*, [* Gr. eklesia] 25 izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fitondran'Andriamanitra nomena ahy ho anareo, hahatanteraka ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra, 26 dia ny zava-miafina, ilay voàfina hatramin'ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin'ny olony masina, 27 izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr'ity zava-niafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra; 28 Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin'i Kristy izy rehetra. 29 Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan'ny herin'ilay miasa mahery ato anatiko.

1-Maty hamonjy ny olona i Jesoa Kristy

Voalaza eto fa taloha dia mpanao ratsy ny olona rehetra , manao hevi-dratsy mandrakariva .Izany no andaniany ny androm-piainany .Hamarino amin’ny toe-javatra misy ankehitriny anie izany fa tena marina tokoa ary matoa efa nambaran’i Paoly izany dia izany mihitsy no fanaon’ny zanak’olombelona .Noho izany , dia lasan-ko babo azy izy , izany hoe: lavitra an’Andriamanitra (tsy misy mpiteny ,tsy misy mpananatra ,tsy misy mpiraharaha fa manao izay heveriny eo fotsiny .Hany ka manaotao foana.Tsy navelan’Andriamanitra tamin’izao fotsiny anefa ny olona fa nitadiavany vaha-olana tamin’ny nanolorany an’i Jesoa ho faty ho azy ireo , ka rava ilay elanelana nisy teo amin’Andriamanitra sy ny olona , izany hoe : levona ny maha-mpanao ratsy sy ny fananana fisainan-dratsy .Tsy fahavalon’ny Tompo intsony ny olona fa efa mihavana Aminy kosa ,ary noraisiny ho madio sy tsy manan-tsiny eo imasony .Tena zava-dehibe araka izany ny fitiavan’Andriamanitra nanao sy nihevitra izay hahatsara ny olona ilay halany teo aloha , nefa nekeny ho havany kosa ankehitriny .Inona kosa anefa no anjara adidy sy andraikitra ,na mety lazaina koa hoe : toetra tsy maintsy takiana amin’ny olona mba hahazoana antoka ny fiainany izany fitiavan-dehibe nasehon’Andriamanitra azy izany ?

2-Takiana haharitra amin’ny finoana ny olona

Nambara amin’ny hoe : maharitra amin’ny finoana araka ny hita eto dia ny fananana finoana mafy orina sady tafatoetra tsara ,izany hoe : tsy mora mihilangilana fa miorina tsara araka ny Filazantsara efa notoriana sy mbola iainana mandrakariva.

Fanontaniana:

Ho an’iza ny famonjen’i Jesoa Kristy ? Ary misy toetra takiana amin’izay efa novonjeny ve?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM