Ho anao mpilaza ny hafatry ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 07 Septambra 2023
MIKA 3.5-8
MIKA 3.5-8
5 Izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, dia ireo izay manaikitra amin'ny nifiny, nefa mitory fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany hanaovana ady masina: 6 Koa izany no hisian'ny alina aminareo, ka tsy hisy fahitana, Ary ny maizina aminareo, ka tsy hisy fankatovana; Fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, Ary ho maizina aminy ny andro, 7 Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin'Andriamanitra. 8 Fa izaho kosa dia feno hery, dia* ny Fanahin'i Jehovah, Mbamin'ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin'i Jakoba ny helony Sy amin'Isiraely ny fahotany.[Na:amin']Ho anao mpilaza ny hafatry ny Tompo
1-Aoka hifanaraka izay lazainao sy izay ataonao
« …ireo izay manaikitra amin’ny nifiny ,nefa mitory fiadanana » (and5) .Eto dia tsy arakaraka ny fiadanana izay ambaran’ireo mpaminany ny fihetsiny sy ny ataony.Izay ambarany dia firariantsoa ,fandriampahalemana ,fahasalamana tanteraka. Ny ataony kosa dia manaikitra amin’ny nifiny , izany hoe : mampahory ny hafa. Tena tsy mifanaraka ny lazainy sy ny ataony.Amin’izao fotoana izao dia mampieritreritra ny zava-misy eo amin’ireo mpitondra ny hafatry ny Tompo sasany. Tsy vitsy ireo izay nandiso fanantenana ny Tompo ary mandiso fanantenana ireo ondrin’Andriamanitra .Aoka hijoro ho fanasin’ny tany sy fahazavan’izao hatrany isika .
2-Aoka ho feno hery
« fa izao kosa dia feno hery , dia ny Fanahin’i jehovah » (and8. Zava-doza ny fijoroana ho mpanambara ny hafatry hy Tompo kanefa tsy eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina .Izay manana ny Fanahy Masina avy amin’ ny Tompo ,manaiky ny fitarhany ihany no afaka hampita mazava tsara ny hafany.Aoka isika mpitory ny Filazantsara mba hanao zava-dehibe ny fianam-panahy ka hijoro ho fanasina sy fahazavana.Miorena tsara hatrany !
3-Aoka hanana fahasahiana hananatra
« mba hanambara amin’i Jakoba ny helony sy amin’ny Israely ny fahotany » (and8d). Ny mpitondra ny hafatry ny Tompo dia manana adidy hananatra ,mikendry fibebahana .Tsy hijerena tavan’olona na iza na iza izany . Tsy maintsy manana fahasahiana hijoro ny mpitory Filazantsara .
Fanontaniana :
Inona avy ny toetra takiana amin’ireo mpanambara ny hafatry ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM