Ho anao izay efa mijoro tsara
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 07 Aogositra 2025
(Sal 133 / Hira 530 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 534)
Romana 14. 1-12
1 [Ny amin'ny handraisana izay malemy finoana, sy ny tokony hifandeferana] Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza ,mandray azy hitsaranareo ny eritreriny. 2 Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehatra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zava-maniry ihany. 3 Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray ary. 4 Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon'ny hafa? Amin'ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo. 5 Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy. 6 Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an'ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an'ny Tompo, satria misaotra an'Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an'ny Tompo, sady misaotra an'Andriamanitra koa izy. 7 Fa tsy misy velon-ko an'ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an'ny tenany. 8 Fa raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo; koa amin'izany, na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany. 9 Fa izany no nahafatesan'i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon'ny maty sy ny velona Izy. 10 Fa nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana kosa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan'ny fitsaran'Andriamanitra isika rehetra. 11 Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an'Andriamanitra (Isa. 45. 23). 12 Koa samy hampamoahin'Andriamanitra ny amin'ny tenany avy isika rehetra.Ho anao izay efa mijoro tsara
1- Raiso tsara ireo malemy finoana
« Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza mandray azy hitsaranareo ny eritreriny » (and 1): Ny mpino tao Roma dia ahitana ireo Jiosy sy tsy Jiosy. Ireo Jiosy izay tonga Kristiana ka antsoin’i Paoly hoe: « malemy finoana » dia mbola tsy nihinana afa-tsy zava-maniry ihany. Izy ireo ihany koa dia manao andro anankiray mihoatra noho ny andro sasany. Manafatra àry Paoly hoe: « Aoka samy hatoky tsara ao amin’ny sainy avy » (and 5). Mizotra miandalana ny fiovana eo amin’ny olom-baovao. Ny Tompo no mahay manova olona sady mahalala ny fotoana mety amin’izany. Fomban’i Jesoa ny mandray tsara ireo izay manaraka azy: « Ary Izy nandray azy tsara ka nilaza taminy ny amin’ny fanjakan’ Andriamanitra » (Lio 9,11).
2. Aza manao tsinotsinona ny rahalahinao:
« Nahoana kosa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? » (and10b): Mahatonga an’i Paoly hametraka fanontaniana amin’ireo manao azy fa efa miorina tsara ny fanaovana tsinotsinona ireo olom-baovao. Azo lazaina fa manome tsiny azy ireo Paoly satria nahafoy ny ainy ho an’ireo olona ireo koa ny Tompo Jesoa. Ny hoe manao tsinotsinona mantsy dia midika hoe: manambany, manamavo, mamotsifotsy, maneso, manivaiva. Tsy fombantsika kristiana izany. Na i Jesoa aza dia mandray antsika hoe: « sakaiza« (Jao 15,15). Namela fianarana ho antsika Izy. Izay andrasana amintsika dia fampaherezana, fifanampiana, fifanajana satria samy mpiray tam-po ao amin’ny Tompo.
Fanontaniana
Inona no adidy miandry antsika amin’ireo olom-baovao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe