Hisy ny onin’ny ranon’aina ho an’ny olona.

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 12 Aprily 2025

(Sal 135.1-7 / Hira 166.1,2,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 460.2,4)

Apokalypsy 22. 1-5
1 Ary izy naneho ahy onin'ny ranon'aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry 2 teo afovoan'ny lalambeny. Ary teny andaniny roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro. 3 Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy 4 ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny. 5 Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy.

Tsy afaka misaraka amin’ny rano ny fiainan’ny olombelona amin’ny maha olona azy. Fantatr’Andriamanitra indrindra izany ka rehefa manomana ny tanana masina handraisany ireo olona mendrika honina miaraka Aminy Izy dia tsy nataony ambanin-javatra akory ny rano. Rano izay mihoatra noho ny rano fantatry ny olona satria ambara hoe « ranon’aina ». Milaza fa tsy hisy fahabangana velively ny filan’ny olona rano

Mampahatsiaro ny toe-javatra niainan’ny olombelona voalohany tao amin’ny saha Edena ny filazana momba ny hazon’aina, saingy tamin’izany dia tsy nahay nankato sy nanaja ny Tenin’Andriamanitra ny olona ka narian’Andriamanitra. Eto kosa dia manarina izany fahavoazana izany Andriamanitra amin’ny alalan’izao hazon’aina izao; vonona hanavao ny fitondrany ny olona ao aminy indray Izy amin’izany.

Noho ny faharatsiana sy ny fahotan’ny olona dia voaozona izy ka nandairan’ny fahafatesana. Rehefa nanavao ny fanekeny kosa anefa Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia nanaisotra izany. Afaka tamin’izany ny olona, ary tonga olom-baovao indray izay rehetra ao amin’i Kristy.

Inona moa no fahazavana fantatry ny olona mihoatra amin’ny masoandro? Hihoatra noho izany ny fahazavan’Andriamanitra.

Iza avy no manana anjara amin’ny tanana masin’Andriamanitra?