Hevitr’Andriamanitra sa hevitr’olombelona no mahery ?
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 17 Aogositra 2023
Eksodosy 1,15-21
Eksodosy 1,15-21
15 Ary ny mpanjakan'i Egypta niteny tamin'ny mpampivelona Hebreo (Sifra no anaran'ny anankiray, ary Poa no anaran'ny anankiray) 16 ka nanao hoe: Raha mampivelona ny vehivavy Hebreo ianareo, ka hitanareo eo amin'ny fipetrahany fa zazalahy, dia vonoy, fa raha zazavavy kosa, dia velomy. 17 Nefa natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain'ny mpanjakan'i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy. 18 Dia nampaka ny mpampivelona ny mpanjakan'i Egypta ka nanao taminy hoe: Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka novelominareo ihany ny zazalahy? 19 Fa hoy ny mpampivelona tamin'i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona, dia velona izy. 20 Dia nasian'Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny olona. 21 Ary tamin'izany, satria natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona dia nomen'Andriamanitra zanaka izy.Hevitr’Andriamanitra sa hevitr’olombelona no mahery ?
Natahotra ny mety ho herin’ny zanak’Israely ny mpanjakan’i Egypta satria nitombo be izy ireo ka nanao izay hevitra hanafoana izany fitomboan’ny herin’ny zanak’Israely izany tamin’ny alalan’ny famonoana ny zazalahy rehetra izay teraka. Niresaka tamin’ny mpampivelona izy eto hoe raha vao zazalahy no hitanareo hateraky ny vehivavy Hebero dia vonoy ho faty. Ambara tsotra hoe hevitr’olona izany, izay tsy mijery afatsy ny tombotsoan’ny tenany fotsiny ihany. Ny zavatra tsy fantatry ny mpanjakan’i Egypta dia ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama mankamin’ny taranany manao hoe « hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, …» (Gen.22,17). Tsy maintsy ataon’Andriamanitra izay fomba hahatanterahan’izany amin’ny fomba tsy takatry ny sain’ny olona. Efa fandaharan’Andriamanitra mihitsy ny zava-mitranga rehetra araka izany, fa tsy sanatria zavatra tongatonga ho azy ka tsy ho voafoanan’ny hevitr’olombelona mihitsy izany. Na ahoana na ahoana izany ny hevitr’olombelona dia tsy misy heriny akory izany manoloana ny hevitr’Andriamanitra
Tahotra an’Andriamanitra sa tahotra ny olombelona ?
Na dia mpanjaka aza no niantso sy niteny, ary azo lazaina hoe nandidy mihitsy ireto mpampivelona ny vehivavy hebreo ireto rehefa hiteraka izy ireo, dia hita eto fa tsy nahoan’izy ireo akory ny teny sy didin’ny mpanjaka. Ambara hoe tsy nanan-tahotra ny mpanjaka kely akory ireto mpampivelona ireto na inona na inona teniny fa voamarika kosa hoe natahotra an’Andriamanitra izy ireo.Tsy nanao araka izay nandidian’ny mpanjaka fa namelona kosa hatrany izay zaza rehetra teraka na lahy na vavy
Fanontaniana:
Andriamanitra sa olona no tokony atahorana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM