HEVERO NY FIFIDIANAN’NY TOMPO
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 01 Jolay 2023
HEVERO NY FIFIDIANAN'NY TOMPO
2 PETERA 1.8-11
8 Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan'izany ho malaina na tsy hahavokatra ianareo amin'ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy Tompontsika. 9 Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia toa jamba ka tsy mahajery lavitra, sady nanadino ny nanadiovana azy tamin'ny fahotany voalohany izy. 10 Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay; 11 fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika.Fanontaniana telo no teraka ary valian’ny fanontaniana anio :
1-Inona no hatao mba hananana toe-panahy araka an’Andriamanitra ?
« ny fahalalana tsara an’Andriamanitra sy Jesoa Tompontsika » (and2,3,8) .Intelo miverina io hoe : fahalalana an’Andriamanitra io ary io no fototra hananan’ny olona toe-panahy araka an’Andriamanitra ka hahaizany mitondra tena mifanaraka amin’ny sitrapon’Izy Andriamanitra tsy amin’ny teny ihany fa amin’ny asa koa.
2-Inona no itaomana antsika ?
« Ary amin’izany dia mazotoa kokoa ry rahalahy ,hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo « (and10) .Raha ny marina dia tena asan’Adriamanitra ny fiantsoana sy fifidianana antsika , ary ny matoanteny ampiasaina rehefa Andriamanitra no miantso sy mifidy fa matoanteny maneho kosa fa rehefa antsoina sy fidin’Andriamanitra ny olona dia anjarany ny mitoetra amin’ny finoana ary tsy miala amin’izany .
3-Inona no tombotsoaan’izay mahavita izany ?
Ambaran’i Petera eto fa izay mampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana azy dia « tsy ho tafitohina akory mandrakizay » (and10b) , izany hoe : afaka mandeha amin’ny làlana mazava ka tsy hanary ny finoana ary tsy hilatsaka amin’ny fahotana ihany koa,mba tsy ho rembin’ny fahafatesana (Rom 6.23) izay andaniny fa ankilany kosa dia « fidirana ho any amin’ny fanjakana mandrakizay izay an’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika » , hoy ihany iPetera ,izany hoe : izay maharitra mitana ny finoany ,mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra dia mizotra malalaka mankany amin’ny fiainana mandrakizay .
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM