Henoy ny mpitarika nomen’Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 25 Oktobra 2022
Josoa 24,14 - 24
14 Koa ankehitriny, matahora an'i Jehovah, ka manompoa Azy amin'ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony* sy tany Egypta, ka manompoa an'i Jehovah. [Eofrata] 15 Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo. na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony,1 na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay. 16 Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: Sanatria raha hahafoy an'i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa. 17 Fa Jehovah Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tany amin'ny trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin'ny lalana rehetra nalehantsika sy teny amin'ny firenena rehetra izay notetezintsika. 18 Ary Jehovah nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin'ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo an'i Jehovah, fa Izy no Andriamanitsika. 19 Ary hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Tsy mahay manompo an'i Jehovah ianareo; fa Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo. 20 Raha mahafoy an'i Jehovah ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hiverina Izy ka hampahory anareo sy hahafongana anareo, rehefa nasiany soa. 21 Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Tsia; fa Jehovah ihany no hotompoinay. 22 Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Vavolombelona ho an'ny tenanareo ianareo fa efa nifidy an'i Jehovah hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny vavolombelona izahay . 23 Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo. ka ampanatony an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo. 24 Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinayMananatra antsika ny mofonaina anio hoe : Henoy ny mpitarika nomen’Andriamanitra
1-Mitaona antsika hanompo (and4)
« Koa ankehitriny , matahora an’i Jehovah ka manompoa Azy amin’ny fahitsiana sy amin’ny fahamarinana… » Teny farany nataon’i Josoa tamin’ny Israely izany .Nampahatsiahiviny fa efa namonjy azy ireo tao anatin’ny fahoriany ny Tompo ka taominy hanompo an’Andriamanitra amin’ny fitiavana sy fanajana ( Izany no hevitry ny teny hoe : matahora) ny vahoaka .Tahaka izay ampahatsiahivin’iJosoa eto ny nataon’iJesoa tamin’ireo izay nositraniny , nalany tamin’ny geja tsy nahafahan’izy ireny nanompo an’Andriamanitra izy.Hitaomana antsika koa izany dia isika izay efa nandray ny famonjena tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy mba hanompo marina an’Andriamanitra tsy ho gejain’ny endrika sampy samihafa intsony , satria efa nafahany sy novonjeny .
2-Aoka ho marina amin’ny fanekena ( and 24)
“Jehovah Andriamanitray no hotompoinay , ary ny feony no hohenoinay” , hoy ny vahoaka .Tsy eto ihany fa isaky ny avy miteny I Josoa dia mamaly sy manaiky hatrany ny olona (and16,21,22) fa tena hanompo an’Andriamanitra tokoa ary ny hanary ny sampiny . Faka tahaka izao nataon’ny vahoaka izao ho antsika fiangonana, saingy raha zohina ny tantara , aorian’izao dia miverina mahafoy an’I Jehovah indray, tahaka ny tsy izy ilay nanao fanekena teo .Maro koa ny milokaloka fa noraisina ho mpandray ohatra , saingy volana vitsivitsy monja dia tsy hita ; notokanana ho diakona dia iny no niditra am-piangonana farany .Hoy I Jesoa : “aoka ny teninareo ho eny , eny ,tsia ,tsia “ (Mat 5.37) .Ary tsarovy fa ny olona vanona ihany no manatanteraka ny fanekena nataony .
Fanontaniana :
Inona no hatao mba hanatanterahana ny fanekena natao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM