Heloka ny mankahala

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 27 Oktobra 2022

MATIO 5.21-26

MATIO 5.21-26
21 Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana. 22 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] [**Gr. Gehena] 23 Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, 24 dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao. 25 Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao. 26 Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.

1-Heloka ny mankahala (and22)

« fa izaho kosa milaza aminareo hoe: izay rehetra tezitra aamin’ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana ... » Misongadina eto fa ny hevitry ny hoe: « mamono olona » araka izany dia tsy izay fihetsika mandatsaka aina ihany na fivelezana kibay , fa raha vao tezitra ao am-pony dia efa meloka .Raha izany , firy izay ny olona efa matinao ?

2-Zava-poana ny fanatitra mbola rahonan’ady

« Avelao eo amin’ny alitara ny fanatitrao , ka mandehana ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao … »(and24) , hoy i Jesoa .Azo takarina avy amin’izany fa raha mbola tsy milamina ny fifandraisantsika amin’ny hafa dia tsy misy heviny ny fanatitra ataontsika fa ho very maina izany .Ataovy laharam-pahamehana ary ny famerenana amin’ny laoniny izay fifandraisana tapaka na inona na inona antony mba tsy ho mpivavabava-poana isika .Aza mangataka andro fa tanteraho amin’izao fotoana izao izay tokony atao .

3-Hanenenana ny manavato fo (and26)

« ...lazaiko aminao marina tokoa , tsy ho afaka ao mihitsy ianao ambara-pandoanao ny variraiventy farany  » . Izany hoe : mbola misy ny fotoana hahazoana mandravona ny fihavanana , dia ataovy izany fa hanenenana ny fiziriziriana sy ny fanamafisam-po .Tsy hitondra fiadanana izany fa ho vesatra aza.Koa mandefera , ataovy ny dingana voalohany na tsy ianao aza no diso .Mianara amin’i Jesoa , manatona !

Fanontaniana:

Ahoana ny fanapahankevitrao manoloana ny hafatra anio ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM