Hazony mafy ny famonjena

Mofonaina anio: Alahady, faha 20 Martsa 2022

JODA 5-13

Joda 1,5 - 13
5 Ary ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen'ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia naringany ihany tao aorian'izany izay tsy nino. 6 Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin'ny fatorana mandrakizay ao amin'ny maizina ho amin'ny andro fitsarana lehibe. 7 Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin'ny iaretany fijaliana amin'ny afo maharitra mandrakizay. 8 Kanefa toy izany koa, ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy* ny manana voninahitra. [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX 3] 9 Fa Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin'ny devoly ka nifanditra ny amin'ny fatin'i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: "Hananatra anao anie Jehovah". 10 Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan'ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany* ny tenany. [* Na: andotoany] 11 Hahita loza izy! fa efa nandeha tamin'ny lalan'i Kama, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan'i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin'ny fiodinan'i Kora izy. 12 Ireo no harambato voasaron-drano* eo amin'ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy rano, entin'ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany, indroa maty, voafongotra; [* Na: Ireo no pentimpentina] 13 onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny fahamenarany; kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan'ny maizina.

Hazony mafy ny famonjena

1-Natolotra ho antsika ny famonjena

Ny fanafahana tany Egypta dia tsy inona fa ny fanavotan’Andriamanitra ny Zanak’Israely izay nandevozin’i Farao .Toy izany koa ny fiainantsika fony mbola mpanota sy nandevozin’ilay ratsy tamin’ny fotoana tsy nahalalantsika an’Andriamanitra .Novonjen’ny Tompo isika ho afaka tamin’izany , tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy zanany .« Fa Andriamanitra mampseho ny fitiavany antsika fa fony mbola mpanota isika dia maty hamonjuy antsika Kristy » (Rom 5.8) .Ny olona rehetra no hisitraka izany famonjena izany amin’ny alalan’ny fandraisana an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy . »Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalana , fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka » (Asa 17.30)

2-Hanenina izay tsy mihazona tsara

Na dia nandray ny famonjena aza ny Zanak’Israely dia nisy ny naringan’ny Tompo , satria tsy nihazona ny finoany (vakio Nom 6.28-35) .Ny fandraisantsika ny famonjena dia mitaky finoana sy toe-panahy mendrika .Tsy azontsika atao intsony ny miverina amin’ny fahotana izay efa nandavo antsika (vakio 2 Pet 2.22) fa manombo an’i Jesoa indray amin’ny hazo fijaliana . Ny hihazontsika ny famonjena izay efa nomena antsika maimaimpoana dia tsy inona fa ny fiainantsika ny Tenin’Andriamanitra .

Fanontaniana:

Efa mahatsiaro ho nandray ny famonjena ve ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM