Hatraiza ny fiainantsika ny maha- olomboafidin’ny Tompo?
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 10 Jolay 2023
Isaia 49. 1-7
Isaia 49. 1-7
1 [Ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah, Izay voatendry hamory sy hamonjy ny Isiraely sy ny firenena rehetra] Mihainoa Ahy, ry nosy, ary atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra; Jehovah efa niantso Ahy hatrany am-bohoka; Hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon'ineny no efa nankalazainy ny anarako. 2 Ary nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; tao amin'ny aloky ny tànany no nanafenany Ahy. Ary nataony zana-tsipìka voalambolambo tsara Aho; teo amin'ny tranon-jana-tsipìkany no nanafenany Ahy. 3 Ary hoy Izy tamiko: Mpanompoko Hianao, ry Isiraely ô. Izay entiko mampiseho ny voninahitro. 4 Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin'i Jehovah ny rariny tokony ho Ahy, Ary ny valin'ny asako dia ao amin'Andriamanitro. 5 Ary ankehitriny, hoy Jehovah, Izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao aminy indray sy hamoriana ny Isiraely ho ao aminy, (Fa mahazo voninahitra eo imason'i Jehovah Aho, Ary Andriamanitro no heriko), 6 Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen'i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin'ny faran'ny tany. 7 Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra ny Isiraely, dia ny Iray Masiny, Amin'Ilay hamavoin'ny olona sy halan'ny firenena ka tonga mpanompon'ny mpanapaka: Ny mpanjaka hahita ka hitsangana, ary ny mpanapaka koa, ka dia hiankohoka noho ny amin'i Jehovah, Izay mahatoky dia ny Iray Masin'ny Isiraely, izay efa nifidy Anao.
1- Hiteny amim-pahasahiana (and 2)
«Ary nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako» hoy ny mpaminany eto. Hevitra fonosin’izany ny hoe : natao hiteny sy hampita izay asain’Andriananitra ambara izy, ka na dia mety hanohintohina ny olona aza izany, dia tsy maintsy ampitainy araka izay nanafaran’ Andriamanitra azy. Ny sabatra mantsy dia fitaovam-piadiana enti-mamely,noho izany tsy tokony hihafihafy ny mpanompon ‘Andriamanitra ka hanamboamboatra ny Teny sao hoe tsy zakan’ny olona, fa hiteny amin-kery sy fahasahiana hahazoan’ny olona tsara izay tian’ny Tompo ambara. Tahaka an’ i Jesoa izany, masiaka mihitsy amin ny fotoana sasany (Mat 23. 14)
2- Hampiseho ny voninahiny (and 3)
«Mpanompoko ianao ry Isiraely ô , izay entiko mampiseho ny Voninahitro » hoy ny Tompo eto. Mihasinkasina amin’izany fa ataon’Andriamanitra fitaovana entina maneho ny voninahiny ny mpanompony , izany hoe : manaiky ampiasain’ ny Tompo fa tsy mampiasa tena, ary amin’ny fanatanterahana ny iraka dia mikendry mandrakariva ny Voninahitr’ Andriamanitra, fa tsy mitady
voninahitra ho an’ny tena ka hanjary fitenenan-dratsy ny Anaran’Andriamanitra indray.
3- Hiatehitra Aminy ihany (and 5)
Mazava ny filazan’ny mpaminany: «…ary Andriamanitro no heriko », manaiky ho fitaovana izy kanefa koa tsy mihevi-tena ho mafy be ka handeha amin’ny herin’ny tenany fotsıny, na hitoky amin’olona, na zavatra hafa fa am-panetren-tena no ilazany fa Andriamanitra no heriny. Isika koa, ianaro izany, ka tsy hihevi- tena ho zavatra !
Fanontaniana:
Hatraiza ny fiainantsika ny maha- olomboafidin’ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM