Haneho ny voninahiny Andriamanitra.

Mofonaina anio: Talata, faha 09 Janoary 2024

Hagay 2.6-9

Hagay 2.6-9
6 Fa izao no lazain'i Jehovah. Tompon'ny maro: Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina; 7 ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin'ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 8 Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 9 Ny voninahitr'ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; ary eto amin'ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

Haneho ny voninahiny Andriamanitra.

Ireto no lesona ho antsika avy amin’izao Soratra Masina izao:
1- Mampahery ireo miraviravy tànana Izy
Rehefa tafaverina avy tany am-pahababoana tany Babylona ny vahoakan’Andriamanitra dia nahamaika azy ny nanao ny trano fonenany. Fa tsy nataony ho laharam-pahamehana ny fanarenana ny Tempoly. Vokatr’izany dia tsy nety tafarina mihitsy ny fiainan’izy ireo. Nanentana ny olona rehetra ny mpaminany Hagay mba hanao ho laharam-pahamehana ny fanarenana ny Tempoly, fa izany no antoky ny fitahiana sy ny fanambinana ho azy. Nanaiky izany ny olona ka niroso tamin’ny fanatanterahana ny asa. Nila ho
kivy anefa ireo mpiasa, fa toa tsy hahavita tahaka ilay naorin’i Solomona. Nanome toky azy ireo kosa Andriamanitra, ary nampitondra teny an’i Hagay fa Izy no hiasa ka hanome izay irin’ny fon’ny olona sy haneho ny voninahiny amin’ny tempoly izay haorina. Tsarovy fa ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny
asan’Andriamanitra no loharanom-pitahiana.
2- Tompon’ny zavatra rehetra Izy.
Raha ity perikopa ity no heverina dia tsy misy antony tokony tsy ahavitan’ny olona ny asan’ Andriamanitra, indrindra fa ny fanorenana ny tempoly. Hoy ny voasoratra: « Ahy ny volafotsy, ary
Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » (and. 8). Toy izao no andraisantsika izany: izay rehetra heverin’ny olona ho fananany, na tany, na trano, na vola sy harena, ny tanjaka sy ny fahasalamana, ny fotoana, izany hoe ny.momba antsika manotolo dia fananan’Andriamanitra. Nataony ho mpitantana ny fananany isika sady mbola hampamoahina amin’izay fomba nampiasantsika izany. Raha miantso Azy ho Tompo tokoa isika, dia hanao ho laharam-pahamehana izay rehetra momba ny asany.
Fanontaniana:
Inona no mari-drefy hamaritana hoe : »Fiangonana matanjaka »?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM