Hafatra ho an’ny Fiangonana
Mofonaina anio: Talata, faha 06 Aogositra 2024
Levitikosy 19, 1-4
Levitikosy 19, 1-4
1 [Didy maro samy hafa] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2 Mitenena amin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo. 3 Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny Sabatako: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. 4 Aza mivily hanaraka ny andriamani-tsi-izy, ary aza manao andriamanitra an-idina ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.Hafatra ho an’ny Fiangonana
1- Aoka ho masina ianareo
Ankoatra ny fahafantaran’ny maro ny Fiangonana amin’ny maha trano na toerana hivavahana azy dia hita eto ny famaritana ny Fiangonana: Izany dia ilazana ny mpianakavin’ny finoana, ny vahoakan’Andriamanitra. Efa nafahana tamin’ny fanandevozana ny mpino ka tsy maintsy miavaka amin’ny jentilisa. Misy ny fitondran-tena manokana takiana amin’ny mpino araka izany, dia ny fandehanana araka ny sitrapon’ny Tompo. Manome ny Fanahy Masina ny Tompo mba hitarika sy hanolo-tsaina ary hanamasina antsika.
2- Manajà ny rainao sy ny reninao
Isan’ny soatoavina Malagasy ny fanajana ray aman-dreny. Efa mahazatra antsika ny fanehoana izany rehefa tonga ny taona vaovao, ny fetin’ny ray sy ny fetin’ny reny, amin’ny tsingerin-taona nahaterahana sy ireo vanim-potoana samihafa. Isika mpino kristiana kosa dia manao mihoatra noho ny sasany ka tsy miandry amin’ny fotoana toy ireo ihany, fa andavanandro mihitsy no maneho fanajana. Jesoa dia mamela ohatra mazava ho antsika amin’izany.
3- Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona.
Ao ny fotoana natokana hiasana, ary ao no atokana hitsaharana. Manoloana ny didy hitandremana ny Sabata dia nanampy fepetra fampiharana samihafa momba izany ny Jiosy. Lasa vesatra ho an’ny olona izany ary tsapan’i Jesoa ka hoy Izy: « Mankanesa aty amiko ianareo rehetra torovana sy vesaran’ny lalana, fa Izaho no hanome fialan-tsasatra anareo » (Mat 11, 28) (DIEM). Jesoa no tena fitsaharana, manala amin’ny fanandevozan’ny lalana.
Fanontaniana
Inona avy ireo toetra takiana amin’ ny Fiangonana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe