Fototry ny olana ny fialana amin’ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 27 Martsa 2022
JEREMIA 21.1-10
JEREMIA 21.1-10
1 [Ny amin'ny hahafahan'ny Kaldeana an'i Jerosalema] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, fony Zedekia mpanjaka naniraka an'i Pasora, zanak'i Malkia, sy Zefania, zanak'i Mahasela mpisorona, hankany aminy hanao hoe: 2 Masìna ianao, manontania amin'i Jehovah ho anay; miady aminay Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, angamba Jehovah hanao aminay araka ny asany mahagaga rehetra, mba hialan'ireo aminay. 3 Dia hoy Jeremia taminy: Lazaonareo amin'i Zedekia hoe: 4 Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, haveriko ny fiadiana eny an-tananareo, izay entinareo miady eny ivelan'ny manda amin'ny mpanjakan'i Babylona sy amin'ny Kaldeana, izay manao fahirano anareo, ka hangoniko eto afovoan'ity tanàna ity ireo. 5 Ary Izaho no hiady aminareo amin'ny tanana ahinjitra sy amin'ny sandry mahery ary amin'ny fahavinirana sy ny fisafoahana ary ny fahatezerana mirehitra. 6 Ary hamely ny mponina amin'ity tanàna ity Aho, na olona, na biby: ho fatin'ny aretim-be mandringana izy. 7 Ary rehefa afaka izany, hoy Jehovah, Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanompony sy ny vahoaka ary izay sisa tsy matin'ny areti-mandringana sy ny sabatra sy ny mosary amin'ity tanàna ity dia hatolotro eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin'ny lelan-tsabatra ireo, fa tsy hitsitsy na hiantra azy, na hamindra fo aminy. 8 Ary ity firenena ity dia hilazanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, ataoko eo anoloanareo ny lalan'ny fiainana sy ny lalan'ny fahafatesana: 9 Izay mbola mitoetra eto amin'ity tanàna ity ihany dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana izay manao fahirano anareo kosa dia ho velona, ka ny ainy no ho babony. 10 Fa efa manandrina ity tanàna ity Aho hahatonga loza aminy, fa tsy soa, hoy Jehovah; hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ity ka hodoroany amin'ny afo.Fototry ny olana ny fialana amin’ny Tompo
Faminaniana no ataon’i Jeremia eto . Ary faminaniana miavaka satria milaza loza mahatsiravina hihatra amin’ny Zanak’Israely . Mba hampahazava ny tantara dia tsara isika mamaky ny 2 Tantara 36.11-13. Ambara ao fa nanao izay ratsy teo anatrehan’Andriamanitra Zedekia mpanjaka .Tsy mahay nanetry tena no feno avonavona loatra ny fony ka tsy nihaino an’i Jeremia mpaminany .
Rehefa mamaky tsara izay ambaran’i Jeremia isika dia mahita fa nolavin’Andriamanitea ny fangatahan’i Zedekia hampiala ny fahavalo eo anatrehany (and2-7).Hitantsika eto fa Andriamanitra mihitsy no mirotsaka an-tsehatra hiady ka hanolotra azy ireo amin’ny fahavalony .Zava-doza loatra izany ary mety hampisalasala antsika mihitsy aza hoe: moa tsy Andriamanitra fitiavana va Izy ?
Valiny : Rehefa hampanalavirintsika an’Andriamanitra ny fontsika dia manalavitra antsika ihany koa ny fahasoavana sy ny fitahiana ary ny fiarovana avy Aminy .Rehefa miala ny tànam-pahasoavany dia manjaka amintsika ny herin’ ilay ratsy .
Ny tokony hatao:
Ry zaza mpiodina mba miverena fa vonona handray antsika mpanota mibebaka Andriamanitra . Fa efa natolony Jesoa ho famonjena antsika. Zedekia te-hovonjena nefa tsy miala amin’ny ratsy .Isika kosa andeha hiova ka hankato ny Teniny hananantsika fiainam-baovao
Fanontaniana :
Vonona ny ovain’ny Tenin’Andriamanitra ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM