Fomba fifandraisan’ny tena an’i Jesoa

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 30 Oktobra 2023

Marka 9,38-50

Marka 9,38-50
38 Ary hoy Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika. 39 Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin'ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety. 40 Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. 41 Fa na iza na iza no manome anareo rano eran'ny kapoaka hosotroinareo, satria an'i Kristy ianareo, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany. 42 Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin'ireo madinika mino Ahy ireo, dia tsara ho azy, raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy. 43 Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin'ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin'ny helo*, dia any amin'ny afo tsy azo vonoina. [* Gr. Gehena] 44 * [* Ampio hoe: any amin'ny kankana tsy maty, ary ny afo tsy vonoina] 45 Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin'ny helo. 46 * [*Ampio hoe: any amin'ny afo tsy azo vonoina; any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina] 47 Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy: fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fanjakan'Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo; 48 any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina. 49 Fa samy ho voasira amin'ny afo izy rehetra*.[*Ampio hoe: ary ny fanatitra rehetra samy ho voasira amin'ny fanasina] 50 Tsara ny sira, fa raha tonga matsatso izy, inona no ho entinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara ianareo.

Mampianatra ny Apôstôly i Jesoa eto mba hahaizan’izy ireo manao izay mety amin’ny fifandraisana amin’ny hafa, ka ambarany mazava eto mba
1- Tsy hifanilikilika
Rehefa nahita olona nandroaka demonia tamin’ny anaran’i Jesoa ny mpianany dia nandrara azy. Ny antony dia satria nihevitra izy ireo fa rehefa tsy miaraka aminy dia tsy an’i Jesoa. Nanava-tena ho hany akaiky an’i Jesoa izy ireo. Fa nitsian’i Jesoa mazava kosa hoe aza maika hanilika foana, na hanosi-bohon-tanana ny hafa. Afaka miasa sy miara-miasa amin’ny olona rehetra ny Tompo. Na izany aza, tsy izay rehetra manonona ny anaran’i Jesoa akory dia Azy. Sao ho voafitaka isika fa fantaro tsara aloha. «Ny voany no hamantarana ny hazo» hoy i Jesoa. Raha an’i Jesoa tokoa ny olona iray dia tsy mahateny ratsy na ankolaka na mivantana an’i Jesoa izy
2- Tsy handratra ny hafa

Amin’ny fifandraisana amin’ny hafa dia tarihin’i Jesoa ny mpianany samy hitandrina na amin’ny teny na amin’ny atao mba tsy handratra ny hafa. Fa indrindra indrindra ireo izay heverin’ny fiarahamonina ho tsy dia misy lanjany loatra ka tsy hizarany hena-maso. Ny tena an’i Kristy dia manahaka Azy, ka tsy ho loharanom-pahatafintohinana fa ho loharanom-pamonjena ho an’ny hafa aza.

3-Fa hitandro mandrakariva ny fihavanana

Mamarana ny mofonaina ny hoe « Mihavàna tsara ianareo ». Mazava loatra izany, fa izay iray vala ao amin’i Jesoa dia tsy manan-jo hiady antrano. Baikon’i Jesoa mihitsy tsy hifandramatra na hifankahala fa hahay hifamela sy hifampiresaka kosa satria mariky ny maha mpianatr’iJesoa izany. (Jao.13,15). Sorohy sy aravony izay fifandirana.

Fanontaniana

Ahoana izany no hamantarana izay tena avy amin’i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM