Foana ny fasana

Mofonaina anio: Alahady, faha 17 Aprily 2022
Jaona 20,1 - 10
1 Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro dia nandeha maraina koa mbola maizimaizina hankany amin'ny fasana Maria Magdalena ka nahita ny vato voaisotra tamin'ny fasana. 2 Dia nihazakazaka nankany amin'i Simona Petera sy ilay mpianatra tian'i Jesosy izy ka nanao taminy hoe: Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy. 3 Dia nandeha Petera sy ilay mpianatra anankiray ka nankany amin'ny fasana. 4 Ary niara-nihazakazaka izy roa lahy; ary ilay mpianatra anankiray nihazakazaka nihoatra an'i Petera ka tonga taloha tao amin'ny fasana. 5 Ary nony niondrika nitsirika izy, dia nahita ny lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra tao izy. 6 Ary avy koa Simona Petera nanaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo, 7 ary ny mosara izay nafehy ny lohany tsy mba nipetraka teo amin'ny lambam-paty, fa voavalona mitokana. 8 Ary tamin'izay dia niditra koa ny mpianatra anankiray izay tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino. 9 Fa tsy mbola fantany ny Soratra Masina fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty Jesosy. 10 Dia lasa indray ny mpianatra nody tany aminy.

 

Foana ny fasana

Anisan’ny foto-pampianarana manan-danja ao amin’ny Soratra Masina ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty. Ny marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro izay mitovy amin’ny Alahady ankalazaintsika ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty dia nandeha nankany amin’ny fasana i Maria Magdalena.

Foana ny fasana satria :

  • Efa voaisotra ny vato teo amin’ny fasana, izay no nahatonga azy nihazakazaka niverina nilaza tamin’ny mpianatry ny Tompo (nalain’ny olona tao am-pasana ny Tompo).
  • Rehefa niondrika nitsirika izy ireo dia nahita lambam-paty nipetraka teo, ary ny mosara izay nafehy ny lohany. Efa nitsangana ny Tompo tsy voahazon’ny fahafatesana.
  • Dia nanaraka an’i Petera koa ilay mpianatra anankiray. Nahita izy dia nino. Ilay nofo mangatsiakan’i Jesoa tsy tao intsony no ninoany (foana ny fasana).
  • Nitsangana i Jesoa, resiny ny fahafatesana. Nandresy ny fahafatesana ny Tompo satria foana ny fasana. Isika koa dia ho mpandresy tahaka ny Tompo Jesoa, satria efa foana ny fasana, efa resy ny fahafatesana.

Fanontaniana :

Mba efa nofoananao teo amin’ny.fiainanao ve ireo endri-pahafatesana izay mangeja anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM