Fitsanganana amin’ny maty ?
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 06 Aprily 2023
LIOKA 23.47-53
LIOKA 23.47-53
47 Ary ny kapiteny, raha nahita izay zavatra tonga teo, dia nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Lazaiko tokoa fa marina io Lehilahy io. 48 Ary ny vahoaka rehetra izay vory teo mba hijery izany, raha nahita ny zavatra tonga teo, dia niverina miteha-tratra. 49 Fa ny olom-pantany rehetra sy ny vehivavy izay nanaraka Azy avy tany Galilia dia nijanona teny lavidavitra eny nijery izany zavatra izany. 50 Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Josefa, izay isan'ny Synedriona, dia lehilahy tsara fanahy sady marina. 51 Izany lehilahy izany tsy nanaiky ny hevitra sy ny nataon'ny sasany; avy tany Arimatia, tanànan'ny Jiosy, izy sady niandry ny fanjakan'Andriamanitra. 52 Izany lehilahy izany dia nankao amin'i Pilato ka nangataka ny fatin'i Jesosy. 53 Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny hariry madinika, dia naleviny tao amin'ny fasana nolavahana tamin'ny vatolampy, izay tsy mbola nandevenana olona.Fitsanganana amin’ny maty ? Maty aloha vao mitsangana. Ny herin’ny fitsanganan’nyTompo dia niseho tamin’ny fotoanan’ny fisamborana Azy satria :
1-Tsy nahatohitra an’i Jodasy Izy
Mpianatr’i Jesoa koa i Jodasy,saingy namadika tamin’ny fanorohana teo anatrehan’ireo voasambotra Azy . Novakian’i Jesoa bantsilana fotsiny ny hevitra nafeniny tamin’ny fihatsarambelatsihy ,mody nanoroka .Satria efa nolazainy tamin’ireo hisambotra Azy hoe: « izay orohako no izy ».
2-Nandrara ny mpiaro Azy i Jesoa
Nafana fo koa ny mpanaraka an’i Jesoa , ary tena resy lahatra ny hiaro Azy .Ny anankiray aza efa nikapa ny sofin’ny iray tamin’ireo mpanompon’ny mpisorona fa naverin’iJesoa tamin’ny laoniny izany . Azo ambara hoe: efa maty iny sofina niala iny saingy novelomin’i Jesoa indray . Ny hery ananan’i Jesoa amin’ny maha-Andriamanitra Azy dia tsy ananantsika olombelona .
3- Vonona Izy hiatrika ny fisamborana
Efa mifanatrika amin’ny fahavalony izay vonona hisambotra Azy i Jesoa ,dia ny lehiben’ny mpiambina ny Tempoly sy ny loholona izay efa niaraka amin’ny sabatra sy langilangy .Tsy nanohitra i Jesoa fa mampahafantatra ny fahavononany ,na inona na inona hiseho ,indrindra ny fahafatesany noho ny fanekeny ny sitrapon’ny Rainy .
Fanontaniana:
Miaraka amin’i Jesoa ve ianao sa manaraka an’i Jesoa ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM