Fitoriana ny filazantsara: fandinihana, faharanitan-tsaina, sy fahasahiana

Mofonaina anio: Alahady, faha 27 Oktobra 2024

Asan'ny Apostoly 17. 22-34

Asan'ny Apostoly 17. 22-34
22 Ary Paoly nitsangana teo afovoan'i Areopago ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin'ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin'ny andriamanitrareo indrindra ianareo. 23 Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: HO AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo, 24 dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra, Izy no Tompon'ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana, 25 sady tsy mba tompoin'ny tànan'olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofon'aina ary ny zavatra rehetra; 26 ary ny firenena rehetra avy amin'ny iray ihany dia namponeniny ambonin'ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan'andro sy ny faritry ny fonenany, 27 mba hitady an'Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy; 28 fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika. 29 Ary satria terak'Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban'Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain'olombelona. 30 Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, 31 satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty. 32 Ary raha nahare ny amin'ny fitsanganan'ny maty izy, dia nihomehy ny sasany; ary ny sasany kosa nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin'izany zavatra izany. 33 Ary Paoly dia niala teo aminy. 34 Anefa ny olona sasany niray taminy ka nino; mba naman'izany Dionysio Areopagita sy ny vehivavy anankiray atao hoe Damary ary ny sasany koa.

Ity anjara mofonainantsika anio ity dia mampianatra antsika, fa ny fitoriana ny filazantsara dia ilana:

1. Fandinihana tsara (and 22)

« Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin’ny zavatra rehetra, dia fatra-pivavaka amin’ny andriamanitrareo indrindra ianareo… ». Tsy navelan’i Paoly handalo fotsiny izay hitan’ny masony rehetra fa mialoha ny hitoriany ny filazantsara tamin’ny olona tao Atena, dia efa nodinihany tsara ny tontolo manodidina, ny fombafomban’ny olona, ny zava-misy samihafa, fa tsy avy hatrany dia nihazakazaka izy. Ary izany fandinihana izany indrindra no tokony hataonsika koa, hamantarantsika tsara ny olona sy tontolo hitoriana ny filazantsara mba tsy hananosarotra!

2. Faharanitan-tsaina (and 23)

« Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriako aminareo » hoy i Paoly. Hitantsika eto mihitsy ny hakingan-tsain’i Paoly, mba hahazoany manamora ny fitoriana ataony. Tsara ho fantatsika mantsy, fa tamin’ny tao Atena, dia feno karazam-pivavahana, sy andriamanitra notompoin’ny olona tamin’izany. Koa tsy maintsy mahiratra ny mpitory ny filazantsara, mampihasinkasina ny maha Andriamanitra mahery sy velona an’i Jesoa, ary mitady ny hirika ahazoana mitsofoka!

3. Fahasahiana (and 30)

« Ary Andriamanitra minia tsy mijery ny andron’ny tsy fahalalana, fa ankehitriny Izy, mandidy ny olona rehetra hibebaka ». Tsy mora akory ny nilaza tamin’ny Ateniana hoe tsy izy ireo nivavahany ireo, ka mila mibebaka izy ireo satria lalan-diso io izorany io; ary lalana hitondra azy ho any amin’ny fahaverezana. Tsy maintsy toriana i Jesoa, ary tsy maintsy taomina hibebaka ny olona!

Fanontaniana

Ahoana ny fampiharana ireo amin’ny fitoriana ataontsika?

Sampana Sekoly Alahady Foibe