Fitaovam-piadiana mahomby :

Mofonaina anio: Alarobia, faha 21 Oktobra 2020

2 TANTARA 20.20-23

2 TANTARA 20.20-23
20 Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an-efitr'i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo. 21 Ary rehefa niara-nihevitra tamin'ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an'i Jehovah hidera amin'ny fihaingoana masina, raha mivoaka eo anoloan'ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Miderà an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony. 22 Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian'i Jehovah otrika hamely ny taranak'i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seira, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo. 23 Dia nitsangana ny taranak'i Amona sy Moaba namely ny avy any an-tendrombohitra Seira ka namono sy nandringana azy; ary nony voaringany ny mponina tany Seira, dia nifandringana kosa izy samy izy ihany.

Fitaovam-piadiana mahomby :

1-Ny finoana ny Tenin’ Andriamanitra (and20)

Eo amin’ny and 15 dia mampiteny an’i Jahaziela Andriamanitra manao hoe : « Aza matahotra na mivadi-po amin’ireo olona betsaka ireo , fa tsy anareo ny ady fa an’ Andriamanitra  » , dia mbola hamafisiny indray maka izany eo amin’ny and 17 . Ary ny finoana sy fatokiana izany Tenin’Andriamanitra nentin’ny mpaminany izany no mahatonga an’i Josafata tsy misalasala manentana ny olona hino an’i Jehovah raha hiroso . Amin’ny ady tahaka izao matetika dia ny fampivononana ny olona hilahatra sy hanomana ny fitaovam-piadiany no ataon’ny mpitarika , fa eto dia maneho mihitsy i Josafata fa ny finoana no fitaovam-piadiana ilain’izy ireo , ary ny finoana tokana ihany . I Jesoa koa dia mamerina matetika ao amin’ny Filazantsara fa zava-dehibe ary mahavonjy ny finoana.

2-Ny fiderana an’Andriamanitra

Ny fanapahan-kevitra noraisin’i Josafata sy ny olona dia tsy ny handrangaranga lefona na sabatra na fitaovam-piadiana hafa fa hihira fiderana hoe : « Miderà an’i Jehovah , fa mandrakizay ny famindrampony  » , ka rehefa nihira ny mpihira dia niditra an-tsehatra tamin’ny fomba mahavariana Andriamanitra , tsy nila nanao afa-tsy fiderana ny Joda fa Andriamanitra kosa no nampifandringana ireo fahavalo telo toko : ny avy any Seira sy ny taranak’i Amona sy Moaba , ka dia ringana avokoa izy rehetra . Minoa an’ Andriamanitra , asandrato ny fiderana Azy fa Jehovah hiady ho anareo » (Eks 14.14) .

Fanontaniana :

Hatraiza ny finoanao ny Tenin’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM