Fitandremana ny didy, mariky ny maha olon’afaka

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 05 Febroary 2024

Galatiana 5. 13-15

Galatiana 5. 13-15
13 Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana. 14 Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). 15 Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana.

Fitandremana ny didy, mariky ny maha olon’afaka

Mitarika ny sain’ny mpino Kristiana eto i Paoly Apostoly fa miavaka ny fiainan’ny olona nandray ny fanafahana, nandray ny fanavotan’i Jesoa Kristy. Antso miteraka andraikitra miavaka ny fanafahana.

1-Mifanompo amin’ny fitiavana

Nisy sokajin’olona tao amin’ny fiangonana mbola nitazona ny famorana araka ny lalàna jiosy. Niteraka olana teo amin’ny fifandraisan’ny mpino izany. Mitaona ny mpino araka izany i Paoly Apostoly fa efa tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy ny fanafahana, ny fanavotana ny olona. Tontolo vaovao no misy ny mpino, tsy miresaka ny amin’ny famorana intsony (and.3). Miavaka ny fanafahana voarain’ny mpino: fanafahana mampiombona, mampiray noho ny asan’ny Fanahy Masina.

2- Mampirindra ny fifandraisana

Mitarika ny mpino hahatsiaro ny didim-pitiavana nomen’Andriamanitra hatrany i Paoly Apostoly: «tiava ny namanao tahaka ny tenana». Ny olon’afaka manana ny Fanahy Masina miasa ao anatiny dia mahay mitia, mahay miaina ny fifankatiavana. Rehefa omena toerana ny fifankatiavana eo amin’ny mpino Kristiana dia ho rava ny fifandrafiana, ny fifandirana. Mirindra sy milamina tsara ny fifandraisana. Miavaka ny fiaraha-monina eo amin’ny samy Kristiana, tsy misy fizarazarana, tsy misy fitsitokotokoana. Tarihina isika, tandremo ny didy nomen’i Jesoa Kristy antsika dia mirindra sy milamina ny fiainana.

Fanontaniana:

Inona no tokony atao mba hanamafisana orina ny fifankatiavana eo amin’ny samy Kristiana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe