Fisedrana resena amin’ny finoana

Mofonaina anio: Talata, faha 23 Martsa 2021

LIOKA 18. 35-43

LIOKA 18. 35-43
35 Ary raha Jesosy nanakaiky an'i Jeriko, dia indro jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana. 36 Ary raha nandre ny vahoaka mandalo izy, dia nanontany hoe: Inona izany? 37 Ary hoy ny olona taminy: Jesosy avy any Nazareta no mandalo. 38 Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko. 39 Ary izay nandeha teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko. 40 Ary Jesosy nijanona, dia nasainy ho entina eo aminy ralehilahy; ary rehefa mby akaiky izy, dia nanontany azy Jesosy 41 ka nanao hoe: Inona moa no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Tompoko, ny mba hampahiratina ny masoko. 42 Dia hoy Jesosy taminy: Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao. 43 Ary niaraka tamin'izay dia nahiratra ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy izy sady nankalaza an'Andriamanitra; ary ny vahoaka rehetra, raha nahita, dia nidera an'Andriamanitra.

Fisedrana resena amin’ny finoana

Indro jamba iray nipetraka nangataka teo amoron-dàlana . Ny fahajambany aloha dia efa zavatra iray nisedrana azy . Ny olona mantsy mandeha manaraka an’i Jesoa , mahita izay rehetra ataon’i Jesoa fa izy kosa tsy mba afaka misitraka izany satria jamba . Rehefa nandre ny vahoaka nandalo indray izy ka nampahafantarina hoe: i Jesoa no mandalo izay nitarika ny fahamaroan’ny olona tahaka izany dia niantso famindrampo sy famonjena avy amin’ny Tompo izy . Marihina fa famonjena azy no tena notadiaviny fa ilay teny hoe : « mamindra fo amiko » dia fiandohan’ny vavaka fangataham- pamonjena amin’ny Tompo izay nampianarin’ny mpanao salamo (jereo Sala 51.1/ 56.1).

Rehefa nangataka tamin’ny Tompo ary izy dia tonga indray ny fisedrana : notenenin’ny olona izy mba hangina nefa tsy nataony ho sakana amin’ny fitadiavany famonjena amin’ny Tompo mihitsy izany fa vao mainka izy niantsoantso mafy , izany hoe : nanamafy ny filany vonjy amin’ny Tompo . Vokatra izany dia niantso azy ny Tompo ary namaly izay notadiaviny taminy . Nilaza i Jesoa Tompo tamin’izany fa ny finoany no nahavonjy azy . Tsy mandeha ho azy amin’izany izany ny fisitrahana ny famonjena sy fahazoana vahaolana avy amin’ny Tompo fa mila mandresy ny sakantsakana maro samihafa ny olona izay tsy maintsy misy amin’itony tany feno faharatsiana itony ary manana finoana koa .

Fanontaniana :

Iza no afaka handresy ny sakantsakana samihafa ka hisitraka ny famonjen’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM