Fiombonana Aminy
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 22 Jona 2023
Fahafahana omen'ny Tompo
2 Korintiana 3. 12 - 18
12 Koa amin'izany, satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoa,1- Fiombonana Aminy
Raha mijery tsara ity halatra ataon’i Paoly ity isika dia hahita fa ny fiombonana amin’i Jesoa Kristy no hiatombohan’ny fanafahana. Na dia nahalala ny Soratra Masina aza ny Zanak’ Israely dia mbola tsy nanana ilay fanafahana fa voagejan’ny lalàna. Ka ny fitondràna izany eo amin’i Jesoa Kristy no nanpiala izany (and. 14). Ity ilay ambaran’i Jesoa hoe: «Dinihinareo ny Soratra Masina, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy» (Jao 5.39). Hazava sy hitondra antsika amin’ny fiainana sy fahafahana ny Soratra Masina satria tonga mampiombona antsika amin’i Jesoa Kristy.
2- Manala fisalobonana
Amin’ny ankapobeny ny fisalobonana ambaran’i Paoly dia ilay fisaronan-doha atao rehefa mamaky ny Soratra Masina, araka ny fomba Jiosy. lzany dia mitarika ny olona handray ny Soratra Masina ho toy ny lalàna fa tsy ho fiainana. Takonan’ny lalàna ny sain’ny olona ka tsy mahita an’i Jesoa tena fiainana. Fa izay manjo ny olona ihany koa dia ny fisalobonana ataon’i satana. Ataontsika hanakonana ny ratsy ataontsika ny fanafahana omena antsika. «Fa efa nantsoina ho anin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany. fa nifampanompoa amin’ny fitiavana» (Gal 5.13)
Azonao ambara ve ny fanafahana efa nomen ‘ny Tompo anao ? 54
Écrire à Manassé Hary Rabelison