Finoana sy Fanetren-tena Tahaka ny Kapiteny

Mofonaina anio: Alarobia, faha 04 Septambra 2024

Matio 8.5-13

Matio 8.5-13
5 Ary nony tonga tao Kapernaomy Jesosy, dia nisy kapiteny anankiray nankao aminy ka nitaraina taminy 6 nanao hoe: Tompoko ô, ny ankizilahiko mandry ao an-trano, mararin'ny paralysisa ka mijaly loatra. 7 Dia hoy Jesosy taminy: Ho avy Aho hahasitrana azy. 8 Fa namaly ilay kapiteny ka nanao hoe: Tompoko, tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko. 9 Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany ka manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy; ary amin'ny anankiray koa: Avia, dia avy izy; ary amin'ny andevolahiko: Ataovy izao, dia manao izy. 10 Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin'izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin'ny Isiraely aza. 11 Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin'ny fanjakan'ny lanitra; 12 fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana amin'ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. 13 Ary Jesosy niteny tamin'ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin'izany ora izany ilay ankizilahy.

1- Meteza hihevitra ny hafa

Indro Kapiteny iray no anton-dresaka eto ary tsy miaramila tsotra akory raha araka ny voatantara, fa isan’ny manam-boninahitra. Manana ny maha izy azy izany satria manana izay andian’olona eo ambany fahefana ka azony baikoina, azo ampanaovina izay tiany hatao. Raha ny marina dia mety manana fizahozahoana sy fiheveran- tena ho zavatra ny olona tahaka izany satria manam-pahefana ka afaka ny tsy hiraharaha ny hafa mihitsy. Tsy izany anefa no nisy teto satria raha narary ny mpanompony dia tsy niteny izy hoe avelao ho faty any io, fa onena azy izy ka nitady izay hahasitrana azy kosa. Araka izany na dia olona ambony aza izy dia tena nihevitra ny hafa indrindra koa.

2- Minoa ary manatona an’i Jesoa Kristy

Rehefa narary ny mpanompony dia nitady vahaonana ho an’ilay marary izy. Tamin’izay fotoana izay no nandrenesany ny amin’i Jesoa Kristy, Ilay afaka nanasitrana ny karazan’aretina samihafa. Nino Azy tanteraka izy ka avy nanatona Azy tsy am-pisalasalana. Indro ilay miaramila, tonga nitaraina tamin’i Jesoa Kristy, mba hanasitranany ilay mpanompony.

3- Manana fanetren-tena

Nony ren’i Jesoa Kristy ny fitarainany mba hanasitranan’i Jesoa ilay marary, dia tsy nisalasala Izy niteny hoe: « ho avy any an-tranonao Aho » hanasitrana azy. Tsy nety tamin’ilay miaramila anefa ny hidiran’i Jesoa Kristy ao antranony, satria tsy mendrika ny hampandroso Azy ao an-trano izy. Resy lahatra izy ary tena nino fa olona manam-pahefana lehibe lavitra noho izy ity Jesoa ity ka afaka manao mihoatra noho izay ataony.

Fanontaniana:

Ilaina ve ny manana finoana tahaka ity Kapiteny ity ka manaiky sy mino tanteraka an’i Jesoa Kristy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe