Finoana miseho amin’ny asa
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 16 Novambra 2020
JAKOBA 2.14-26
JAKOBA 2.14-26
14 [Ny fahafoanan'ny finoana tsy misy asa] Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy? 15 Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan'andro, 16 ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin'ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an'ny tenany, inona moa no soa azo amin'izany? 17 Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy. 18 Fa angamba hisy hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin'ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako. 19 Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,- ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra. 20 Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa? 21 Tsy nohamarinina tamin'ny asa va Abrahama razantsika tamin'ny nanaterany an'isaka zanany teo ambonin'ny alitara? 22 Hitanao fa niara-niasa tamin'ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin'ny asa; 23 ary tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: "Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany" (Gen. 25.6), ary natao hoe "Sakaizan'Andriamanitra" izy (Isa. 41.8). 24 Koa dia hitanareo fa hamarinina amin'ny asa ny olona, fa tsy amin'ny finoana ihany. 25 Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin'ny asa va izy tamin'ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin'ny lalan-kafa? 26 Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.Finoana miseho amin’ny asa
Anisan’ny Apostoly nanao ny asa ho zava-dehibe amin’ny asasorany Jakoba . Aminy , ny tena kristiana dia izay misy sy miasa ho an’Andriamanitra ka manasoa ny mpiara-belona aminy . Araka izany ,ny tena mino dia :
1- Maneho ho hita maso ny finoany (and14)
DIEM « inona moa no soa azon’ny olona milaza azy ho manam-pinoana raha tsy miseho amin’ny asa izany ? »
Avy amin’izao andinin-tSoratra Masina izao isika no mahita fa hay ny asa no endrika ahitana imaso ny finoana izay tsy hita maso . Azo atao tsara araka izao ny maneho ny finoantsika an’i Jesoa ho hita maso . Koa ny asa ataontsika no maneho ny finoantsika . Ny asa fanasoavana ny hafa rehetra dia tena fanehoana ny finoana an’iJesoa izay inoana no aseho amin’ny alalan’ny fanaovana sy ny fanohizana ny asany eto amin’izao tontolo izao .
2-Miasa tsara (and17)
Tsara ihany ny mitondra fanazavana ho antsika « Protestante Reformé » dia mino aloha isika vao miasa;Ilay finoana no miteraka asa. Tsy izy ny mifamadika amin’izany . Ny finoana tsara mantsy no miteraka asa tsara . Araka izany dia aoka hozava-dehibe amintsika aloha ny finoana. Izany rahateo no hamonjena antsika. Koa izay mino ary miasa no afaka miandrandra famonjena . Ilay finoana tao amin’i Abrahama no nahatonga azy hanolotra ny zanany ho an’nyTompo . Izany koa no hitaomana antsika ankehitriny . Aoka ho mafy orina tsara ny finoana mba hiteraka asa tsara izany . Mila olona toy izany ny Fiangonana sy ny firenena.
Fanontaniana :
Inona avy no asa tsara ateraky ny finoana marina an’iJesoa ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM